Ary aza miady hevitra mba hanomezana rariny ireo izay mamadika ny tenan’izy ireo Ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia izay mpamadika sy izay be fahotana.
Indro ireo olona izay niarovanareo teny ambonin’ny tany. Ka iza no hiady hevitra amin’I Allah, mba hanomezana azy ireo ny rariny amin’ny andro fitsanganana ? Na, iza no ho mpiantoka azy ireo ?
Ary n'iza n'iza manao ny asa ratsy, na manao ny tsy rariny amin’ny tenany, avy eo mibebaka amin'I Allah ,dia hahita fa Mpamela heloka sy be indrafo Allah.
Ary n'iza n'iza manao fahadisoana na koa fahotana, avy eo anefa dia miampanga ny olona tsy manan-tsiny amin’izany, dia tena efa mizaka lainga sy fahotana mibaribary.
Raha tsy ny fahasoavan’I Allah taminao sy ny famindram-pony, dia efa vitan'ny andiany tamin'izy ireny no namery lalana anao. Nefa izy ireo dia tsy hahavery afa-tsy ny tenany ihany. Ary tsy afaka hanao ratsy anao na dia kely aza izy ireo. Ary nampidina ny Boky sy ny fahendrena taminao I Allah, ary nampianatra anao koa izay tsy fantatrao tany aloha. Ary ny fahasoavan’I Allah aminao dia tena lehibe tokoa.