Moa ve manana anjara amin’ny ampaham-pahefan’ny fanjakana izy ireo ? Raha izany dia tsy hizara na inona na inona amin’ny olona izy ireo, na dia kely tahaka ny singan’ny voan’atrendry iray aza !
Moa ve izy ireo dia hialona ny olona amin’ny fahasoavana izay nomen’I Allah azy ireo ? Efa nomenay an’ny fianakavian’i Abrahama ny Boky sy ny fahendrena, ary efa nomenay azy ireo koa ny fanjakana lehibe.
Tena marina fa ireo izay tsy nino ny fanambaranay dia hatsipinay any amin’ny afobe izy ireo. Isaka ny masaka ny hoditr’izy ireo, dia soloinay hoditra hafa izany, mba hanandraman’izy ireo ny famaizana. Tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
Ary ireo efa nino no sady nanao asa soa dia ampidiranay any am-paradisa izay ikorian'ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny.Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.Hiandry azy ireo ao ireo andefimandry kantosy voadio.Ary hapetrakay eo ambanin'ny aloka matevina izy ireny.
Tena marina fa I Allah dia mandidy anareo, mba hamerina ireo zavatra napetraka taminareo amin’ny tompony; ary rehefa mitsara eo amin’ny samy olombelona ianareo, dia aoka hitsara ara-drariny. Tena marina fa I Allah dia mananatra anareo hatrany amin’ny tena tsara. Ary marina tokoa fa I Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
Ô ianareo izay nino ! Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Iraka sy ireo mpitondra eo aminareo, koa raha misy zavatra hifanolananareo, dia aoka hamerina izany any amin’I Allah sy ny Iraka ianareo, raha mino an’I Allah sy ny andro farany ianareo. Izany no tsara indrindra sy fanazavana mendrika indrindra.