Ary ireo izay mamoaka ny hareny mba ho hitan’ny olona, ary tsy mino an'I Allah sy ny andro farany. Ary n'iza n'iza maka ny satana ho namana akaiky, tena namana ratsy tokoa izany !
Ary inona moa no manjò azy ireo, raha mba nino an’I Allah sy ny andro farany izy ireo, ary namoaka (ho an’I Allah) amin’izay anjara nomeny azy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia Mahalala tsara izay ataon’izy ireo.
Tena marina fa I Allah dia tsy manambaka na dia mitovy amin’ny lanjan’ny atôma aza. Ary na dia asa tsara iray monja aza dia ampitomboiny avo heny izany, ary omeny valisoa lehibe avy Aminy izany.
Amin’izany andro izany, dia maniry ireo izay tsy nino sy tsy nankatò ny Iraka mba handrakotra azy ireo ny tany, ary tsy afaka hanafina intsony ny resaka amin’I Allah izy ireo.
Ô ianareo izay nino ! Aza manatona ny fanompoam-pivavahana ianareo raha mbola mamo, mandra-pahalalanareo izay teneninareo, ary raha mbola ao anatin'ny fahalotoana lehibe, afa-tsy eny am-pandehanana, mandra-panaovanareo ny fidiovana lehibe . Ary raha marary ianareo, na eny am-pandehanana lavitra, na avy nivoaka ny iray taminareo, na avy nikasika vehivavy ianareo ka tsy mahita rano, dia midiova amin’ny tany madio, ka safoinareo amin’izany ny tavanareo sy ireo tananareo. Tena marina fa I Allah dia be Fandeferana sy be Famelan-keloka.