Ô ianareo izay nino! Aza mihinana ny harenareo samy anareo amin’ny tsy rariny ianareo, raha tsy misy fifampiraharahana ara-barotra iarahanareo mifanaiky. Ary aza mamono tena ianareo. Tena marina fa I Allah dia be Indrafo aminareo.
Ary aza mitsiriritra ianareo amin’izay nomen’I Allah tombony aminareo; ho an’ny lehilahy ny anjara amin’izay vokatry ny asany, ary ho an’ny vehivavy koa ny anjara amin’izay vokatry ny asany. Ary mangataha amin’I Allah ny amin’ny fahasoavany ianareo. Tena marina fa Allah dia tena Mahalala ny zava-drehetra.
Ary ny tsirairay dia nataonay manana mpandova amin’izay navelan’ny ray aman-dreniny sy ireo havana akaiky. Ary izay nanaovanareo fanekena, dia omeo azy ireo ny anjarany. Tena marina fa I Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra.