Noho ny fivadihan’izy ireo tamin’ny fanekena nataony sy ny tsy finoany ireo fanambaran’I Allah, sy ny famonoany ireo mpaminany tsy amin’ny rariny, ary ny fitenenan’izy ireo hoe: “Ny fonay dia voarakotra (ka tsy andairan-teny)”. Ny tena marina dia I Allah mihitsy no nanidy ny fon’izy ireo noho ny tsy finoany; ka tsy nisy nino afa tsy ny vitsy tamin’izy ireo.
Ary noho ny fakan'izy ireo ny zana-bola, na dia efa voarara tamin'izany izy ireo, sy ny fihinanan'izy ireo ny fananan'olona amin'ny tsy rariny.Izahay dia efa nanomana ho an'ireo tsy mpino amin'izy ireny ny sazy mangirifiry.
Kanefa ireo miorim-paka amin'ny fahalalana amin'izy ireo, sy ireo mpino, dia mino izay nampidinina taminao sy izay nampidinina teo alohanao. Ary ireo mpanatanteraka ny vavaka fanompoana, sy mpanatanteraka ny fanomezana ny harena fiantrana, sy ireo mpino an’I Allah sy ny andro farany, dia izy ireny no omenay valin-kasasarana lehibe.