Ary miteny izy ireo manao hoe : “Fankatoavana”. Fa rehefa miala eo aminao, ny ampahany amin’izy ireo dia manao tetika hafa ankoatra izay noteneninao. Ary I Allah dia manoratra izay ataon’izy ireo amin’ny alina. Ka iataho izy ireo, ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, ary ampy ho mpiaro I Allah.
Tsy mba mandinika ny Kor’any ve izy ireo ? Koa raha avy amin’ny hafa ankoatr’I Allah izany, dia tsy maintsy nahita fifanoheran-teny maro ao anatiny izy ireo.
Ary raha misy vaovao mampilamin-tsaina na mampatahotra tonga amin’izy ireo, dia efa ahelin’izy ireo avy hatrany izany. Nefa raha nentin’izy ireo tamin’ilay Iraka izany sy tamin’ny manam-pahefana eo amin’izy ireo, dia ho nahafantatra izany ireo izay afaka manadihady amin’izy ireo. Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah eo aminareo sy ny indrafony, dia ho nanaraka ny satana avokoa ianareo, afa-tsy ny vitsy an’isa.
Ka aoka hiady amin’ny lalan’I Allah ianao, aza manome andraikitra afa-tsy ny tenanao ihany. Ary amporisiho ireo mpino, angamba Allah hampitsahatra ny herisetran’ireo izay tsy nino. Allah no tena mahery sy tena mafy amin'ny famaizana.
Ary rehefa arabaina amin’ny fiarahabana ianareo, dia miarahabà tsaratsaran’izany ianareo; na koa valio mitovy aminy. Tena marina fa I Allah no mpitsara ny zava-drehetra.