Ireo izay nino dia miady amin’ny làlan’I Allah, fa ireo izay tsy nino kosa dia miady amin’ny làlan’ireo mpihoam-pefy, ka aoka ianareo hiady amin’ireo sakaizan’ny satana. Tena marina fa ny teti-dratsin’ny satana dia malemy tokoa.
Tsy hitanao ve ireo izay notenenina hoe : “Atsaharonareo ny ady, tanterahanareo ny fanompoam-pivavahana ary avoahinareo ny harena fiantrana (Zakat)! Koa rehefa voadidy tamin’izy ireo ny ady, dia indro ny andiany tamin’izy ireo fa natahotra ny olombelona tahaka ny fatahorany an’i Allah, na fatahorana mihoatra izany aza. Ary niteny izy ireo manao hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no nodidianao taminay ny ady? Raha mba hahemotrao kely amin’ny fotoana manaraka!”. Teneno hoe : “Ny fahafinaretana eto an-tany dia kely, fa ny fiainana any ankoatra kosa dia tsara ho an’izay manam-patahorana, ary tsy ho ambakaina ianareo na dia kely mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza!”
N’aiza n’aiza no misy anareo, dia manaraka anareo ny fahafatesana, na dia ao anaty trano mijoalajoala matanjaka aza ianareo. Ary rehefa mahazo zavatra tsara izy ireo, dia miteny hoe : “Itony dia avy amin’I Allah”. Fa rehefa misy voina manjò azy ireo kosa, dia miteny izy ireo hoe : “Itony dia avy aminao !”. Teneno hoe : “Ny zava-drehetra dia avy amin’I Allah avokoa”. Fa inona no mahazo ireo vahoaka ireo no tsy mba hiezaka hahazo resaka na dia kely aza ?”
Izay tsara mahazo anao dia avy amin’I Allah, fa izay ratsy mahavoa anao kosa dia avy amin’ny tenanao ihany. Ary nalefanay ho Iraka ho an’ny olombelona ianao. Ary ampy ho vavolombelona I Allah.