Tsy mitovy ireo mpino mipetraka ao an-trano, ankoatr'ireo manan-takaitra, sy ireo mivoaka amin’ny lalàn’I Allah, miaraka amin’ny haren’izy ireo sy ny vatan’izy ireo. Nomen’I Allah tombony ireo mivoaka miaraka amin’ny haren'izy ireo sy vatan’izy ireo, noho ireo izay mipetraka ao an-trano; eo amin’ny mari-boninahitra. Ary ny rehetra dia nampanantenain’I Allah valisoa mendrika, ary nomen’I Allah tombony amin’ny valisoa lehibe ireo Miady amin'ny lalan'I Allah noho ireo izay mipetraka ao an-trano.
Tena marina, fa ireo izay noraisin’ny Anjely ny fanahiny, ka nanao tsy rariny tamin’ny tenany, dia hiteny ireo Anjely hoe : “Taiza ianareo manoloana ny finoanareo ?”. Dia hamaly izy ireo hoe : “Fadiranovana izahay teny ambonin’ny tany”, dia hiteny ireo Anjely manao hoe : “Moa ve tsy nalalaka ny tanin’I Allah, mba nahafahanareo nifindra-monina teo aminy ?”. Ka izy ireny dia ny afobe no toeran-kialofany, ary toeran-kaleha tena ratsy tokoa izany !
Ary izay mifindra-monina amin’ny làlan’I Allah, dia mahita fialokalofana sy toerana maro. Ary izay niala tao an-tranony, ka nifindra-monina amin’ny làlan’iIAllah sy ny Irany, avy eo, tratran’ny fahafafatesana, dia efa azony ny valisoa eo anatrehan’I Allah. Ary I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
Ary raha mandeha maneran-tany ianareo, dia tsy misy tsiny raha manafohy ny vavaka fanompoana, raha matahotra ny fitsapan’ireo izay tsy nino ianareo, marina fa ireo tsy mpino dia tena fahavalonareo miharahary.