Ireo izay niandry anareo, ka rehefa mahazo fandresena avy amin’I Allah ianareo, dia hoy izy ireny : “Tsy niaraka taminareo ve izahay ?”. Ary rehefa ho an’ireo tsy mpino indray ny fahombiazana, dia miteny izy ireo manao hoe : “Moa ve tsy nanome tanana anareo izahay, sy niaro anareo tamin’ireo mpino ?”. Ka I Allah no hitsara ny momba anareo amin’ny Andro fitsanganana. Ary tsy hanome lalana mihitsy ireo tsy mpino handresena ireo mpino I Allah
Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mitady hamitaka an’i Allah, ary Izy (Allah) dia mamerina ny fitak’izy ireo any amin'izy ireo. Ary izy ireo rehefa mitsangana ho amin'ny vavaka fanompoana, dia mitsangana amin’ny hakamoana, misehoseho aman’ny olona, ary tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy an-kavitsiana ihany.
Afa-tsy ireo izay mibebaka sy manova fihetsika, ary mifikitra amin’I Allah, sy nanadio ny finoan’izy ireo ho an’I Allah, izy ireny dia hiara-dia amin’ireo mpino. Ary Allah dia hanome fahasoavana lehibe ho an’ireo mpino.