Tena marina fa I Allah dia tsy mamela ny fanakambanana Azy amin’ny zavatra hafa. Fa raha ankoatra izany, dia mamela heloka kosa Izy amin’izay sitrany. Ary izay mampikambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa, dia efa very amin’ny fahaverezana lavitra.
Ary tsy maintsy ho vereziko làlana izy ireo, ary tena omeko fampanantenana diso, tena ho didiko izy ireo, ka hanova ny zava-boarin’i Allah. Ary na iza na iza mandray ny satana ho mpiahy azy ankoatr’i Allah, dia tena maty antoka amin’ny faty antoka miharihary.