O Ianareo olon’ny boky! Aza manitatra be loatra amin’ny finoanareo ianareo, ary aza miteny momba an’I Allah afa-tsy ny marina.Tena marina fa i Mesia Jesoa, zanak’i Maria, dia tsy iza fa irak’I Allah ihany, ary Teniny izay nalefany tamin’i Maria, sy Fanahy avy Aminy; koa inoanareo I Allah sy ireo Irany, ary aza miteny hoe: “Telo” ianareo. Atsaharonareo! Fa izany no tsara ho anareo. Tena marina fa I Allah dia Zanahary tokana ihany. Dera ho Azy, ary Azy ny fahamendrehana rehetra, lavitra ny voninahiny ny hanan-janaka. Azy izay any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary ampy ho Mpiahy I Allah.
Tsy hanambony tena velively ilay Mesia (Issa) ka hanao ny tenany ho tsy mpanompon’i Allah, na koa ireo Anjely akaiky. Ary izay manambony tena amin’ny fanompona Azy (Allah), sy miavonavona dia havoriny any Aminy daholo izy reo.
Fa ireo izay nino kosa sy nanao ireo asa soa, dia omena azy ireo ny valin-kasasarany feno, ary mbola ampitomboina koa izany avy amin’ny fahasoavany. Fa ireo izay nanambony tena sy niavonavona kosa dia ho saziany amin’ny sazy mangirifiry izy ireo, ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra ho an’i tenany ankoatran’I Allah izy ireo.
Fa ianareo izay nino an’I Allah kosa sy nifikitra Aminy, dia hampidiriny amin’ny indrafo avy Aminy sy ny fahasoavana izy ireo, ary ho tarihiny ho amin’ny lalana mahitsy mankany Aminy izy ireo.