Oh ! Ianareo izay nino, ireo mpanompo sampy dia tena maloto tokoa, aoka izy ireo tsy hanatona intsony an'ilay Al-Masjid Al-Haram (Trano masina), aorian’ity taona ity. Ary raha matahotra fahantrana Ianareo dia Allah no hampanan-karena Anareo amin’ny fanasoavany araka izay sitrany. Marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
Miadiva Ianareo amin’ireo izay tsy mino an’i Allah sy ny andro farany, tsy mandrara izay noraran’i Allah sy ny Irany ary tsy miorina amin’ny finoana marina, amin’ireo olona nomena ny boky, mandra-panomezan’izy ireo ny Djizia (hetra) an-tànana ary izy ireo dia efa nanetri-tena.
Miteny ireo Djiosy fa i Ozairy dia zanak’i Allah, ary ireo Kristianina miteny hoe i Mesia Issa (jesosy) dia zanak’i Allah. Izany no teny navoakan’ny vavan’izy ireo, maka tahaka ny tenin’ireo tsy mpino tany aloha izy ireo, enga anie i Allah handringana azy ireo. Nahoana no misintaka amin’ny fahamarinana izy ireo ?