Moa ve tsy tonga tamin’izy ireo ny tantaran’izay teo alohan’izy ireo : Ny vahoakan’i Noa, ny AAD, ny Tamod ary ny vahoakan’i Ibrahim sy ireo olon’ny Madiàna sy ilay Tanàna natsimbadibadika (ambony sy ambany) ? Tonga tamin’izy ireo tokoa ireo Irany niaraka tamin’ireo porofo mazava. Tsy i Allah velively no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, fa izy ireo kosa no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany.
Ary ireo mpino lahy sy vavy, mifanampy ny andaniny sy ny ankilany, maniraka amin’ny tsara sy mandrara ny ratsy izy ireo, sy manatanteraka ny Soalat ary mamoaka ny Zakat, ary mankato an’i Allah sy ny Irany. Izy ireny no hamindran’i Allah fo, marina tokoa fa i Allah no Mahery sy be Fahendrena.
Allah dia nampanantena ireo mpino lahy sy vavy, ireo zaridaina izay misy renirano mikoriana ao ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, sy fonenana mahafinaritra ao amin’ny zaridainan’i Edena. Ary ny fahafaham-pon’i Allah no lehibe indrindra, izany ilay fahombiazana lehibe indrindra.