Oh Ianareo izay nino, aza raisinareo ho mpiahy Anareo ireo ray aman-dreninareo sy ireo rahalahinareo, raha nisafidy ny tsy finoana nohon’ny finoana izy ireo. Ary n'iza n'iza Aminareo maka azy ireo ho mpiahy dia izy ireny tokoa no tena mpanao ny tsy rariny.
Lazao hoe, raha toa ka ny rainareo, ny zanakareo, ny rahalahinareo, ny vadinareo sy ny havanareo, ireo harena izay efa azonareo, ny varotra izay atahoranareo hihena, ary ny fonenana izay mahafinaritra anareo no tianareo kokoa mihoatra an’Allah sy ilay Irany, ary ny ady masina amin’ny làlany, dia andrasonareo àry, fa handefa aminareo ny baikony (saziny) Allah. Fa tsy mitari-dàlana ireo olona ratsy fanahy Allah.
Efa nampandresen’Allah tamin’ny toerana maro ianareo, toy ny tamin’ny andron’ny Honayn, ka nireharehanareo tamin’ny habetsahanareo, nefa tsy nahavitanareo na inona na inona akory izany. Fa na dia be velarana aza ilay tany, dia zary lasa tery teo anatrehanareo, ka dia nitari-dositra ianareo.
Taorian’izany, dia nampidinin’Allah ny fitoniana avy Aminy, ho amin’ilay Irany sy ireo mpino. Fa nampidina andian-tafika tsy hitanareo maso ihany koa Izy, ka tamin’izany no nanasaziany ireo olona tsy mpino. Fa valin’asa mendrika ireo tsy mpino izany.