Tsy anjaran’ny Mpaminany sy ireo izay nino ny mangataka famelan-keloka ho an’ireo tsy mpino. Eny, na dia havany akaiky aza izy ireo, taorian’ny porofo miharihary tamin’izy ireo fa tena Olon’ny Afobe tokoa izy ireny.
Ary tsy inona akory ny fangataham-pamelan-keloka nataon’i Ibrahim tamin’ny Rainy afa-tsy ny fampanantenana izay natao Taminy, fa rehefa miharihary Taminy mazava fa Izy (rainy) dia fahavalon’i Allah, dia nandà Azy Izy. ka tena marina fa i Ibrahim dia mpanetry tena sy tsara fanahy.
Ary tsy fanaon’i Allah ny hamery ny vahoaka taorian’ny nitarihany azy ireo lalàna mandra-panazavany tamin’izy ireo tsara izay tokony hatahoran’izy ireo. Tena marina fa i Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra.
Tena marina fa an’i Allah ny fanjakana any amin’ireo lanitra sy ny tany, mamelona sy mamono Izy ka tsy misy afa-tsy i Allah irery ihany no Mpiahy sy Mpanavotra Anareo.