Ary ny sasany tamin’izy ireo dia niaiky ny fahotany, nampifangaro ny asa soa tamin’ny ratsy izy ireo. Angamba i Allah handray ny fibebahan’izy ireo. Tena marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Makà ampahany amin’ny fananan’izy ireo Ianao mba hanadiovanao sy hanomezanao azy ireo tsodrano avy amin’ny alalan’izany. Mivavaha ho azy ireo Ianao, fa ny vavaka ataonao azy ireo dia tena fitoniana ho azy ireo ary Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
Moa ve tsy fantatr’izy ireo tokoa fa i Allah no mandray fibebahan’ireo mpanompony sy mandray ireo fanomezana. Marina fa i Allah no mandray ny Fibebahana sy be Fiantrana.
Ary teneno hoe : “ Miasà Ianareo, fa ho hitan’i Allah sy ny Irany ary ny olon-drehetra ny Asanareo ary ho averina any amin’Ilay Mahafantatra ny miafina sy ny hita maso Ianareo ary ho lazainy Anareo izay rehetra nataonareo.
Ary ireo sasany hafa dia navela eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitr’i Allah, na ho saziany izy ireo na ho avelany ny helok’izy ireo. Ary Allah dia be Fahalalana sy be Fahendrena.