Koa aza atao mahatalanjona Anao akory ny fananan’izy ireo sy ny zanak’izy ireo ! Ary i Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanasaziana azy ireo avy amin’ny alalan’izany (harena sy zanaka) amin’ny fiainana ety an-tany sy hanasarotra ny fialan’ny fanahin’izy ireo ao anaty tsy finoana.
Ary izy ireo (mpiatsaravelatsihy) dia mianiana amin’i Allah fa tena anisan’ny namanareo; ka nefa izy ireo dia tsy mba anisan’ny namanareo akory, fa izy ireo dia tena vahoaka saro-tahotra.
Ary raha izy ireo tena afa-po tamin’izay nomen’i Allah azy ireo sy ny Irany, dia niteny izy ireo nanao hoe : " Ampy anay i Allah, dia omen’i Allah ny amin’ny fahasoavany izahay sy ny Irany. Marina fa ny fanirinay rehetra dia mankany amin’i Allah.”
Ary misy amin’izy ireo manenjika ny Mpaminany sy miteny manao hoe : " Izy dia tia mihaino izay rehetra tenenin’olona.” Teneno hoe : " Ny fihainoana dia mahatsara Anareo : Mino an’i Allah izy sy manam-pahatokisana ireo mpino, ary izy no famindram-po ho an’ireo izay mino Aminareo. Ary ireo izay manenjika ny Irak’i Allah dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry.”