Kilniojo Korano reikšmių vertimas - Vertimas į malagasų k. - Ruad vertimų centras

Puslapio numeris: 195:187 close

external-link copy
55 : 9

فَلَا تُعۡجِبۡكَ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُمۡۚ إِنَّمَا يُرِيدُ ٱللَّهُ لِيُعَذِّبَهُم بِهَا فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَتَزۡهَقَ أَنفُسُهُمۡ وَهُمۡ كَٰفِرُونَ

Koa aza atao mahatalanjona Anao akory ny fananan’izy ireo sy ny zanak’izy ireo ! Ary i Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanasaziana azy ireo avy amin’ny alalan’izany (harena sy zanaka) amin’ny fiainana ety an-tany sy hanasarotra ny fialan’ny fanahin’izy ireo ao anaty tsy finoana. info
التفاسير:

external-link copy
56 : 9

وَيَحۡلِفُونَ بِٱللَّهِ إِنَّهُمۡ لَمِنكُمۡ وَمَا هُم مِّنكُمۡ وَلَٰكِنَّهُمۡ قَوۡمٞ يَفۡرَقُونَ

Ary izy ireo (mpiatsaravelatsihy) dia mianiana amin’i Allah fa tena anisan’ny namanareo; ka nefa izy ireo dia tsy mba anisan’ny namanareo akory, fa izy ireo dia tena vahoaka saro-tahotra. info
التفاسير:

external-link copy
57 : 9

لَوۡ يَجِدُونَ مَلۡجَـًٔا أَوۡ مَغَٰرَٰتٍ أَوۡ مُدَّخَلٗا لَّوَلَّوۡاْ إِلَيۡهِ وَهُمۡ يَجۡمَحُونَ

Raha mahita fialofana izy ireo, na lava-bato na zohy ambanin’ny tany, dia tena mandositra sy mihazakazaka mankany mihitsy. info
التفاسير:

external-link copy
58 : 9

وَمِنۡهُم مَّن يَلۡمِزُكَ فِي ٱلصَّدَقَٰتِ فَإِنۡ أُعۡطُواْ مِنۡهَا رَضُواْ وَإِن لَّمۡ يُعۡطَوۡاْ مِنۡهَآ إِذَا هُمۡ يَسۡخَطُونَ

Misy amin’izy ireo manakiana Anao mahakasika ny fizarana ireo Soadakàt [88], raha omena amin’izany izy ireo dia faly, fa raha tsy omena izany kosa izy ireo, indro fa tezitra mafy tokoa izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 9

وَلَوۡ أَنَّهُمۡ رَضُواْ مَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥ وَقَالُواْ حَسۡبُنَا ٱللَّهُ سَيُؤۡتِينَا ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦ وَرَسُولُهُۥٓ إِنَّآ إِلَى ٱللَّهِ رَٰغِبُونَ

Ary raha izy ireo tena afa-po tamin’izay nomen’i Allah azy ireo sy ny Irany, dia niteny izy ireo nanao hoe : " Ampy anay i Allah, dia omen’i Allah ny amin’ny fahasoavany izahay sy ny Irany. Marina fa ny fanirinay rehetra dia mankany amin’i Allah.” info
التفاسير:

external-link copy
60 : 9

۞ إِنَّمَا ٱلصَّدَقَٰتُ لِلۡفُقَرَآءِ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَٱلۡعَٰمِلِينَ عَلَيۡهَا وَٱلۡمُؤَلَّفَةِ قُلُوبُهُمۡ وَفِي ٱلرِّقَابِ وَٱلۡغَٰرِمِينَ وَفِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱبۡنِ ٱلسَّبِيلِۖ فَرِيضَةٗ مِّنَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ

Ny harena fiantrana (Zakat) dia voatokana homena ireo mahantra, ireo fadiranovana, ary ireo izay miasa amin’izany, ireo mbola tambazana ny fony, ny famotsorana andevo, ireo izay vesaran’ny trosa sy ireo miasa amin’ny làlan’Allah, ary ho an’ny mpandeha lany vatsy. Didy avy amin’Allah izany! Satria Mahalala ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah. info
التفاسير:

external-link copy
61 : 9

وَمِنۡهُمُ ٱلَّذِينَ يُؤۡذُونَ ٱلنَّبِيَّ وَيَقُولُونَ هُوَ أُذُنٞۚ قُلۡ أُذُنُ خَيۡرٖ لَّكُمۡ يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَيُؤۡمِنُ لِلۡمُؤۡمِنِينَ وَرَحۡمَةٞ لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنكُمۡۚ وَٱلَّذِينَ يُؤۡذُونَ رَسُولَ ٱللَّهِ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ

Ary misy amin’izy ireo manenjika ny Mpaminany sy miteny manao hoe : " Izy dia tia mihaino izay rehetra tenenin’olona.” Teneno hoe : " Ny fihainoana dia mahatsara Anareo : Mino an’i Allah izy sy manam-pahatokisana ireo mpino, ary izy no famindram-po ho an’ireo izay mino Aminareo. Ary ireo izay manenjika ny Irak’i Allah dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry.” info
التفاسير: