Nefa ilay Iraka sy ireo izay nino niaraka Taminy kosa dia nanao jihad tamin’ny alalany ny fananan’izy ireo sy ny vatany. Izy ireny no hahazo zava-tsoa ary izy ireny ihany koa no hahazo ny fahombiazana.
Tsy misy tsiny ho an’ireo osa, na ireo marary, na koa ireo izay tsy mahita hamatsiana tena, raha mendri-pitondran-tena eo anatrehan’i Allah sy ny irany izy ireo. Tsy misy antony hanomezan-tsiny ihany koa ireo mpanao asa soa. Ary i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Tena marina fa, ny fanomezan-tsiny ho an’ireo mangataka alalana Aminao (mba tsy handray anjara amin’ny ady) nefa izy ireo dia mpanan-karena. Mahafaly azy ireo ny mijanona miaraka amin’ireo mpijanona any aoriana. Ary i Allah dia nanidy mafy ny fon’izy ireo, nefa izy ireo tsy afaka nahafantatra izany intsony.