Ahoana moa no hananan’ireo mpanompo sampy ny fifanarahana eken’i Allah sy ilay Irany, afa-tsy noho izy ireo nanaovanareo fifanarahana akaikin’ilay Masjid masina, raha mbola manaja ny mpifanaraka taminareo izy ireo dia hajao ihany koa ny fifanarahana tamin’izy ireo. Marina fa i Allah dia tia ireo mpatahotra Azy.
Ahoana moa raha sendra mandresy Anareo izy ireo izay tsy manaja Anareo, na mikasika ny fihavanana izany na momban'ny fifanekena efa vita, fa ataon’izy ireo izay ahafa-po Anareo am-bava fotsiny nefa mandà izany ny fon’izy ireo, satria ny ankamaroan’izy ireo dia mpanao ny asa ratsy.
Namidin’izy ireo amin’ny vidiny mora tokoa ny Fanambaran’i Allah, ka nosakanan’izy ireo ny lalàny marina fa tena ratsy tokoa izany asa nataon’izy ireo izany.
Nefa izy ireo raha mibebaka sy manatanteraka ny Soalat sy mamoaka ny Zakat dia ho rahalahinareo ara-pinoana. Ary izahay dia manazava amin’ny antsipirihany ireo fanambarana ho an’ny vahoaka izay mahalala.
Ary raha toa ka nivadika tamin’ny fianianana nataon’izy ireo taorian’ny fifanarahana izy ireo ka mbola nanenjika ny finoanareo dia miadiva Ianareo amin’ireo mpitarika ny fikomiana, satria izy ireo dia tsy mitana ny teny fianianany ary angamba hitsahatra izy ireo.
Ahoana Ianareo no tsy miady amin’ny vahoaka izay mivadika amin’ny fianianana no sady mila hanao sesitany ny Iraka, nefa izy ireo no nanafika Anareo voalohany ? Matahotra azy ireo ve Ianareo ? Allah no mendrika hatahorana raha tena mpino marina Ianareo