Raha misy fahasoavana Azonao, dia mankarary azy ireo izany, fa raha misy fahoriana kosa manjo Anao dia miteny izy ireo hoe : " Soa ihany fa efa naka fitandremana mialoha izahay ”. Mitodi-damosina izy ireo no sady feno hafaliana.
Teneno hoe : " Inona no andrasanareo Aminay, afa-tsy ny iray amin’ireto zava-tsoa roa ireto (fandresena, maty martiora) ? fa izahay kosa miandry ny handefasan’i Allah sazy ho Anareo, avy Aminy na avy amin’ny tànanay ka andraso àry, fa Izahay koa mba miandry miaraka Aminareo ”.
Ary tsy misy manakana ny handraisana ny fanomezana avy amin’izy ireo afa-tsy noho izy ireo tsy nino an’i Allah sy ny irany, sy tsy tonga nanatanteraka ny soalat afa-tsy ao anaty hakamoana ary tsy manao fandaniana izy ireo afa-tsy ankahalàna.