Ary ny mba hahafantarana an'ireo izay mihatsaravelatsihy. Ary notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Tongava Ianareo hiady amin’ny lalàn’i Allah, na atoseho (ireo fahavalo) ”. Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Raha nahay niady Izahay dia tena nanaraka Anareo ”. Izy ireo, tamin’izany Andro izany, dia tsy ny finoana no akaiky azy ireo bebe kokoa noho ny finoana. Izy ireo dia miteny amin’ny vavany izay tsy ao am-pony velively. Ary i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo.
Ireo izay niteny tamin’ireo rahalahiny, sady nijanona tsy nandeha ka niteny nanao hoe : “ Raha nanaraka ny teninay izy ireo dia tsy mba maty novonoina ” ka Teneno ny hoe : “ Dia arovy tsy iharan’ny fahafatesana àry ny Tenanareo, raha marina ny Anareo ”.
Ary aza mieritreritra mihitsy Ianao fa ireo izay novonoina, teo amin’ny lalàn’i Allah dia maty. Tsy izany ! Tena velona izy ireo eo anatrehan’ny Tompony, mahazo ny anjarany izy ireo.
Ireo izay namaly ny antson’i Allah sy ilay Iraka, taorian’ny fahavoazana nanjò azy ireo, ho an’ireo izay nanao asa soa tamin’izy ireo, sy nanam-patahorana ny valisoa lehibe.