Tena marina fa, izany no tantara tena marina. Ary tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah. Ary marina fa i Allah tokoa no ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena.
Lazao hoe : “Ry olon’ny boky, tongava ianareo hanamafy ilay teny iray itoviana eo aminay sy eo aminareo; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Allah, ary tsy hampitambatra Azy amin-javatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ho toy ny tompo ho tompoin’ny sasany ankoatran’Allah”. Ka raha mivadika izy ireo, dia lazaonareo aminy: “Aoka ho vavolombelona ianareo, fa izahay kosa efa mpanolotena”.
Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana no mifanditra Ianareo mahakasik’i Ibrahimo, nefa tsy nampidinina ny Taoraty sy ny Evanjely raha tsy taty aoriany ? Moa ve tsy mba misaina Ianareo ?
Indro Ianareo mifanditra amin’ny zavatra izay Anananareo fahalalana, ka nahoana Ianareo no mifanditra amin’ny zavatra izay tsy Anananareo fahalalana ? Ary i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa dia tsy mahalala.
Tena marina fa, ny Olona mendrika hitonon-tena hoe avy amin’i Ibrahimo (A.s), dia ireo izay nanaraka Azy, sy ity Mpaminany ity [46], ary ireo izay nino. Ary i Allah no Mpiahy ireo mpino.