Ary ahoana Ianareo no tsy mino ka nefa ianareo indrindra no amakiana ireo fanambaran’i Allah, ary eo Aminareo lalandava ny Irany ? Ary izay mifikitra mafy amin’i Allah dia efa voahitsy amin’ny làlana mahitsy.
Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo amin’ny tena fatahorana Azy marina, ary aoka mba tsy ho faty raha tsy efa manaiky tanteraka an’i Allah Ianareo.
Ary mifikira mafy Ianareo amin’ny tadin’i Allah, fa aza misaratsaraka. Ary tsarovinareo ny Fahasoavan’i Allah eo Aminareo, raha mpifahavalo Ianareo teo aloha dia natambatry ny Fonareo, ka lasa mpirahalahy nohon'ny fahasoavany Ianareo. Ary Ianareo dia efa tena teo amoron-kadin’ny afo, ka navotany tamin’izany Ianareo. Tahaka izany no hanazavan’i Allah Aminareo ny fanambarany, angamba hizotra amin’ny làla-mahitsy Ianareo.
Ary aoka mba hisy Aminareo vahoaka, hiantso ho amin’ny tsara sy handidy amin’ny mendrika, ary handrara amin’ny ratsy. Ary izy ireo no mahazo ny fahombiazana.
Amin’ny Andro hampazava ireo tarehy sy hahamaizina ihany koa ireo tarehy hafa, ka ho an’ireo izay maizina ny tarehinizy ireo (dia holazaina izy ireo): “ Tsy nino va Ianareo taorian’ny fanananareo ny finoana ? Ka andramano àry ny famaizana noho Ianareo nitsipaka ny finoana ”.