Tena marina fa, tamin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro, dia tena feno famantarana ho an’ireo matsilo saina.
Ireo izay mahatsiaro Allah, am-pitsanganana, sy amin'ny fipetrahana, ary am-patoriana sy amin’ny ilan’izy ireo ary mandinika ny momban'ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany ka niteny izy ireny ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tsy noharianao tsy amin’ny antony izao (rehetra izao) ka Voninahitra anie ho Anao irery ! ka arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay”.
Tomponay ô ! Henonay tokoa ny mpiantso izay miantso ho amin’ny finoana ka nanao hoe : “ Minoa an’ny Tomponareo Ianareo ”. Dia nino tokoa Izahay. Tomponay ô ! Avelao ny helokay, fafao ny ratsy vitanay, ary ataovy ho faty miaraka amin’ireo Olona mendrika Izahay.