Efa henon’i Allah ny tenin’ireo izay niteny hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mahantra, ary Izahay no manan-karena ”. Nosoratanay izay notenenin’izy ireo, sy ny famonoan’izy ireo, ireo Mpaminany tsy amin’ny rariny. Ary hoteneninay amin’izy ireo ny hoe : “ Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mandoro ”.
Ireo izay niteny ka nanao hoe : “ Tena marina fa i Allah dia nanafatrafatra Anay mba tsy hino Iraka (Mpaminany), raha tsy mitondra fanatitra ho Anay izay hohanin’ny afo ”. Teneno ny hoe : “ Efa nisy Iraka maro tonga teo Aminareo talohako, niaraka tamin’ny porofo mazava sy tamin’ireo izay nolazainareo, ka nahoana no vonoinareo izy ireo, raha tena marina Ianareo ”.
Ny manan’aina rehetra dia tsy maintsy manandrana ny fahafatesana. Omena Anareo tanteraka ny valin-kasasaranareo amin’ny Andro fitsanganana. Ka n'iza n'iza nahataka tamin’ny Afobe sy nampidirina ao amin’ny Paradisa, dia tena tafita. Ary tsy inona ny fiainana eto an-tany afa-tsy fahafinaretana miserana feno fitaka.