ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

رقم الصفحة:close

external-link copy
133 : 3

۞ وَسَارِعُوٓاْ إِلَىٰ مَغۡفِرَةٖ مِّن رَّبِّكُمۡ وَجَنَّةٍ عَرۡضُهَا ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ أُعِدَّتۡ لِلۡمُتَّقِينَ

Ary mifaninàna Ianareo mankany amin’ny famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo, ary ho any amin’ny Zaridaina (Paradisa) izay midadasika toy ireo lanitra sy ny tany, izay efa nomanina ho an’ireo manam-patahorana. info
التفاسير:

external-link copy
134 : 3

ٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ فِي ٱلسَّرَّآءِ وَٱلضَّرَّآءِ وَٱلۡكَٰظِمِينَ ٱلۡغَيۡظَ وَٱلۡعَافِينَ عَنِ ٱلنَّاسِۗ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Ireo izay mamoaka ny harenan'izy ireo ao am-pahalalahana sy an-katerena, sy mahafehy ny hatezeran'izy ireo, ary mahalefitra amin’Olombelona. Ary i Allah dia tia ireo mpanao ny tsara. info
التفاسير:

external-link copy
135 : 3

وَٱلَّذِينَ إِذَا فَعَلُواْ فَٰحِشَةً أَوۡ ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ ذَكَرُواْ ٱللَّهَ فَٱسۡتَغۡفَرُواْ لِذُنُوبِهِمۡ وَمَن يَغۡفِرُ ٱلذُّنُوبَ إِلَّا ٱللَّهُ وَلَمۡ يُصِرُّواْ عَلَىٰ مَا فَعَلُواْ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ

Ary ireo izay, raha nahavita asa vetaveta na nanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ka nahatsiaro an’i Allah no sady nifona nohon'ny fahotan'izy ireo, ary iza koa moa no mamela ireo fahotana afa-tsy i Allah ? Ary tsy miziriziry amin’ny ratsy nataon'izy ireo teo aloha izy ireo, ary dia mahafantatra izany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
136 : 3

أُوْلَٰٓئِكَ جَزَآؤُهُم مَّغۡفِرَةٞ مِّن رَّبِّهِمۡ وَجَنَّٰتٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ وَنِعۡمَ أَجۡرُ ٱلۡعَٰمِلِينَ

Izy ireny no mahazo valisoa, dia ny famelan-keloka avy amin’ny Tompon’izy ireo, ary koa ireo zaridaina (Paradisa) izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsara tokoa izany valisoan’ireo mpanao tsara izany ! info
التفاسير:

external-link copy
137 : 3

قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِكُمۡ سُنَنٞ فَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُكَذِّبِينَ

Efa niseho talohanareo ny fisehoan-javatra isan-karazany, ka mandehana mivezivezy eny ambonin’ny tany Ianareo, ary jereo ahoana no niafaran’ireny nilaza fa mpandainga ireo Mpaminany. info
التفاسير:

external-link copy
138 : 3

هَٰذَا بَيَانٞ لِّلنَّاسِ وَهُدٗى وَمَوۡعِظَةٞ لِّلۡمُتَّقِينَ

Ity dia fanazavana ho an’ny Olombelona sy tari-dalàna, ary anatra ho an’ireo manam-patahorana. info
التفاسير:

external-link copy
139 : 3

وَلَا تَهِنُواْ وَلَا تَحۡزَنُواْ وَأَنتُمُ ٱلۡأَعۡلَوۡنَ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ

Aza manaiky resy Ianareo, ary aza malahelo, fa Ianareo no tena ambony raha mpino tokoa Ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
140 : 3

إِن يَمۡسَسۡكُمۡ قَرۡحٞ فَقَدۡ مَسَّ ٱلۡقَوۡمَ قَرۡحٞ مِّثۡلُهُۥۚ وَتِلۡكَ ٱلۡأَيَّامُ نُدَاوِلُهَا بَيۡنَ ٱلنَّاسِ وَلِيَعۡلَمَ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَيَتَّخِذَ مِنكُمۡ شُهَدَآءَۗ وَٱللَّهُ لَا يُحِبُّ ٱلظَّٰلِمِينَ

Raha azon’ny ratra Ianareo, dia efa azon’ny ratra mitovy amin’izany koa ireo vahoaka (fahavalo). Ary ireny Andro ireny (na tsara na ratsy), izahay no mampifandimby azy eo amin’ny Olombelona; ary mba ahalalan’i Allah ireo izay mino sy handraisany ireo maritiora avy Aminareo. Ary i Allah dia tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير: