Aza hinoanareo raha tsy olona izay nanaraka ny Finoanareo…”. Lazao azy ireo: “Fa ny tena tari-dàlana marina, dia ny tari-dàlan’Allah”. Tsy misy na iray aza nahazo mitovy amin’izay nomena anareo, na koa hifanditra aminareo eo anatrehan’ny Tompo Zanaharinareo. Lazao azy ireo hoe : “Fa ny fahasoavana, dia eo am-pelatànan’Allah. Izy no manome izany amin’ny olona ankasitrahiny. Fa Malalatànana Allaha, ary Izy no Mahalala ny zavatra rehetra.
Tena marina fa, ireo izay mivarotra ny fifanekena nataony tamin’i Allah sy ny fianianany, amin’ny vidiny mora, izy ireny dia tsy hanana anjara na dia kely aza amin’ny fiainana any an-koatra, ary tsy hiresaka amin’izy ireo mihitsy i Allah, sady tsy hijery azy ireo amin’ny Andro farany, no tsy hanadio azy ireo Izy, ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.