Izy no nahary anareo avy tamin’ny tany, avy eo, dia avy tamin’ny tsirin’aina, ary avy eo, dia avy tamin’ny vongan-drà, ary manaraka izany dia avoakany ho zazakely ianareo, mba hahatratraranareo ny fahamatorana, avy eo ny fahanterana. Ary ny sasany aminareo dia maty mialoha, mba hahatratraranareo ny fe-potoana voafetra, ka mba hisainanareo.
Izy no manome ny fahavelomana sy ny fahafatesana. Ary rehefa mandidy amin’ny zavatra iray Izy, dia izao ihany ny teniny : “ Misia ”, dia misy tokoa izany.
Tamin’I Allah ? ”. Dia hoy izy ireo hoe : “ Niala taminay izy ireo. Nefa tsy nangataka na tamin’iza na iza izahay taloha ”. Toy izany no amerezan’I Allah ireo tsy mpino.
Koa mahareta, fa marina ny fampanantenan'I Allah. Na asehonay anao ny ampahany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na esorinay ny ainao [na ho vonoinay alohan’ny fotoana ianao], dia any Aminay ihany no hamerenana azy ireo.