Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َfobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka.
Allah no nanao ny alina ho anareo mba hialanareo sasatra mandritra izany, ary ny andro mba hahitanareo mazava tsara. Allah no tompom-pahasoavana ho an’ny olombelona, saingy ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mahay mankasitraka.
Toy izany I Allah Tomponareo, Ilay mpahary ny zava-drehetra. Tsy misy zanahary hafa ankoatra Azy. Ka nahoana áry ianareo no miala amin’ny lalana mahitsy?
Fa I Allah no nanome anareo ny tany ho toeram-ponenana, ary ny lanitra ho tafo, nanome endrika anareo Izy, ary akory moa ny hatsaram-bika nomeny anareo! Nanome anjaram-pivelomana tsara ho anareo ihany koa Izy. Izany no Allah Tomponareo, ka voninahitra anie ho Azy, Tompon’izao tontolo izao.