Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao. Ary tsy anjaran’ny Iraka ny mitondra porofo famantarana, raha tsy amin’ny alalana avy amin’I Allah. Rehefa tonga ny didin’I Allah, dia ho tsaraina ampahamarinana avokoa ny rehetra, ary dia ho matiantoka tokoa ireo milaza lainga.
Ary misy tombotsoa ho anareo amin’izany, mba hahazoanareo avy amin’izany ny zavatra izay irin’ny fonareo. Eo ambonin’izy ireo sy eo ambon'ny sambo no hitondrana anareo.
Nefa tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo intsony ny finoany, rehefa nahita ny loza avy taty Aminay izy ireo, ka izany no didin’I Allah momba ireo mpanompony tany aloha. Ary amin’izany indrindra no maha fatiantoka ireo tsy mpino.