Koa mahareta áry, fa ny fampanantenan’I Allah, dia marina, ary mangataha famelan-keloka ho an’ny fahotanao, ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao amin’ny hariva sy maraina.
Tsy mitovy velively ny jamba sy ny mahiratra, ary tsy afaka hampitahana amin’ny mpanao ratsy ireo izay mino sy manao asa soa. Nefa zara raha misy mahatsiaro ianareo!