Tarihinareo tsy hino an’I Allah aho, ka hampitambatra Azy amin’ny hafa izay tsy ananako fahalalana, nefa ianareo dia antsoiko ho any amin’Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.
Tsy hisalasalana, fa ireo izay iantsoanareo ahy, dia tsy afaka hamaly antso, na ety an-tany na any ankoatra. Ary hamafisina, fa any amin’I Allah ny hiverenantsika, fa ireo mpihoam-pefy kosa, dia izy ireo no olon’ny afo.
Ary rehefa hifanditra ao anaty afo izy ireo, dia hiteny amin’ireo mpirehareha ireo osa hoe : “ nanaraka anareo izahay, ka moa afaka hiaro anay amin’ny ampahan’ny afo ve ianareo ? ”
Dia hiteny ireo mpanambon'ny tena hoe : “ hamafisina, fa isika rehetra dia samy ato anatiny daholo ”. Efa namoaka didim-pitsarana ho an’ireo mpanompony I Allah.
Ka hiteny amin’ireo mpiambina ny afobe ireo izay ao anatin’ny afobe hoe : “Angataho ny Tomponareo, mba hanalefaka aminay ny famaizana indray andro fotsiny ”.