Moa ve mihevitra ireo izay tsy mino, fa afaka handray ireo mpanompoko ho Mpiahy ankoatra Ahy ? Tena marina fa nomaninay ny Afobe ho fonenan’ireo tsy mpino.
Izy ireny izay mitsipaka ireo famatarana avy amin’ny Tompony, sy ny fihaonana Amin'i Allah. Ka dia ho foana ny asan’izy ireo ”. Tsy omenay lanja na dia kely aza amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) izy ireo.
Teneno hoe: “ Raha ny ranomasina no ranomainty hanoratana ireo tenin’ny Tompoko, dia ho ritra izany mialoha ny hahataperan’ireo tenin’ny Tompoko, na dia ampinay mitovy amin’izany koa aza ”.
Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy.