Ary mahareta ny tenanao miaraka amin’ireo izay miantso ny Tompon’izy ireo maraina sy hariva, (izay) mitady ny zava-drehetra amin'ny fotony Tompony. Ary aoka ny masonao tsy hiala azy ireo mihitsy, ho amin’ny fitadiavana ny rendrarendran’ny fiainana eto an-tany. Ary aza mankatò izay nataonay variana amin’ny fampahatsiahivanay ny fony sy manaraka ny hetahetam-pony ary ny raharahany rehetra dia fahaverezana sy fahapotehana avokoa.
Ary teneno : "Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponareo”. Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay. Ary raha mitady rano izy ireo, dia ho ampisotroina rano tahaka ny menaka mangotraka mandoro ny tarehy. Tena zava-pisotro ratsy tokoa ary fonenana tena mahatsiravina izany !