Ary noho izany, dia nataonay ho aseho izy ireo mba ahafantaran’ireo (olona tao amin’ny tanàna) fa ny fampanantenan’I Allah dia tena marina tokoa ary marina fa ny ora dia tsy hisalasalana ny momba izany. Dia niady hevitra izy ireo (ireo olona tao amin’ny tanàna) ny mikasika azy ireo (olon’ny lava-bato), ka niteny izy ireo nanao hoe : “Hanorenanareo fonenana eo ambonin’izy ireo”. Ny Tompon’izy ireo no tena mahalala tokoa an'izy ireo. Niteny ireo izay nandresy (tamin’ny ady hevitra) momba azy ireo nanao hoe : “Tena hataontsika toeram-pivavahana eo ambonin’izy ireo."
Teneno (ry Mohamady) hoe : “Allah no tena mahafantatra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao”. Azy ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Tena Mahita sy Mandre tokoa Izy ! Tsy manana mpiahy na iray aza ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ary tsy misy na iza na iza atambany Aminy amin’ny fiadidiany.