Ary efa nanazava amin’ny alalan’ny ohatra maro isan-karazany Izahay ho an’ny olona, ao anatin’ity Koro’any ity, nefa ny olombelona no be fifandirana indrindra amin’ny zava-drehetra.
Ary iza moa no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampahatsiahivina ireo andian-tenin’ny Tompony kanefa nitsipaka izany sy nanadino izay nataon’ny tanany roa ? Nosaronanay ny fon’izy ireo, mba tsy ahazoan’izy ireo izany (ny Koro’any) sy (nasianay) marenina ao anatin'ny sofin’izy ireo. Ary na dia miantso azy ireo mankany amin’ny lala-mahitsy aza ianao dia tsy hanaraka ny hitsin-dalana na oviana na oviana izy ireo
Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny mpanampiny lahy nanao hoe : “Tsy hijanona aho raha tsy tonga eo amin’ny fihaonan’ny ranomasina roa na koa handeha mandritry ny taona maro”.
Ary rehefa tonga teo amin’ny fihaonan’ny (ranomasina) izy roa, dia nanadino ny trondrony izy ireo ka dia nandray ny lalany mora foana nankany any an-dranomasina izy (ilay trondro).