قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى

بەت نومۇرى: 303:293 close

external-link copy
98 : 18

قَالَ هَٰذَا رَحۡمَةٞ مِّن رَّبِّيۖ فَإِذَا جَآءَ وَعۡدُ رَبِّي جَعَلَهُۥ دَكَّآءَۖ وَكَانَ وَعۡدُ رَبِّي حَقّٗا

Niteny izy ka nanao hoe :“ Indrafo avy amin’ny Tompoko izao ”. Nefa rehefa ho tonga ilay fampanantenan’ny Tompoko, dia ataony ho tany lemaka izany. Ary marina ny fampanantenan’ny Tompoko ”. info
التفاسير:

external-link copy
99 : 18

۞ وَتَرَكۡنَا بَعۡضَهُمۡ يَوۡمَئِذٖ يَمُوجُ فِي بَعۡضٖۖ وَنُفِخَ فِي ٱلصُّورِ فَجَمَعۡنَٰهُمۡ جَمۡعٗا

Amin’izany Andro izany dia havelanay hifandona tahaka ireo onja izy ireo, dia hotsofinay ny Trompetra (Anjomara) ary havorinay izy rehetra (zavaboary) info
التفاسير:

external-link copy
100 : 18

وَعَرَضۡنَا جَهَنَّمَ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡكَٰفِرِينَ عَرۡضًا

Ary amin’izany Andro izany dia asehonay akaikin’ireo tsy mpino ny Afobe (Djahanam). info
التفاسير:

external-link copy
101 : 18

ٱلَّذِينَ كَانَتۡ أَعۡيُنُهُمۡ فِي غِطَآءٍ عَن ذِكۡرِي وَكَانُواْ لَا يَسۡتَطِيعُونَ سَمۡعًا

Dia ireo izay voasarona ny mason’izy ireo ka voasakana tsy hieritreritra Ahy, ary tsy afaka mandre na inona na inona izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
102 : 18

أَفَحَسِبَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَن يَتَّخِذُواْ عِبَادِي مِن دُونِيٓ أَوۡلِيَآءَۚ إِنَّآ أَعۡتَدۡنَا جَهَنَّمَ لِلۡكَٰفِرِينَ نُزُلٗا

Moa ve mihevitra ireo izay tsy mino, fa afaka handray ireo mpanompoko ho Mpiahy ankoatra Ahy ? Tena marina fa nomaninay ny Afobe ho fonenan’ireo tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
103 : 18

قُلۡ هَلۡ نُنَبِّئُكُم بِٱلۡأَخۡسَرِينَ أَعۡمَٰلًا

Teneno hoe : “ Moa ve hampahafantarinay Anareo izay tena maty antoka indrindra amin’ireo asany ? info
التفاسير:

external-link copy
104 : 18

ٱلَّذِينَ ضَلَّ سَعۡيُهُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَهُمۡ يَحۡسَبُونَ أَنَّهُمۡ يُحۡسِنُونَ صُنۡعًا

Ireo izay nandany ny fihezahany tamin’ny fiainana teto an-tany, dia very làlana, nefa mihevitra izy ireo fa manao asa tsara ! info
التفاسير:

external-link copy
105 : 18

أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ وَلِقَآئِهِۦ فَحَبِطَتۡ أَعۡمَٰلُهُمۡ فَلَا نُقِيمُ لَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَزۡنٗا

Izy ireny izay mitsipaka ireo famatarana avy amin’ny Tompony, sy ny fihaonana Amin'i Allah. Ka dia ho foana ny asan’izy ireo ”. Tsy omenay lanja na dia kely aza amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
106 : 18

ذَٰلِكَ جَزَآؤُهُمۡ جَهَنَّمُ بِمَا كَفَرُواْ وَٱتَّخَذُوٓاْ ءَايَٰتِي وَرُسُلِي هُزُوًا

Noho izany dia ny Afobe no valin’ny asan’izy ireo, satria tsy nino sy nanao vazivazy ireo famantarako sy ireo Irako (mpaminany). info
التفاسير:

external-link copy
107 : 18

إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ كَانَتۡ لَهُمۡ جَنَّٰتُ ٱلۡفِرۡدَوۡسِ نُزُلًا

Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa dia ny Paradisa ny “Firdaosy” no fonenan’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
108 : 18

خَٰلِدِينَ فِيهَا لَا يَبۡغُونَ عَنۡهَا حِوَلٗا

Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy haniry fanovana na dia kely aza. info
التفاسير:

external-link copy
109 : 18

قُل لَّوۡ كَانَ ٱلۡبَحۡرُ مِدَادٗا لِّكَلِمَٰتِ رَبِّي لَنَفِدَ ٱلۡبَحۡرُ قَبۡلَ أَن تَنفَدَ كَلِمَٰتُ رَبِّي وَلَوۡ جِئۡنَا بِمِثۡلِهِۦ مَدَدٗا

Teneno hoe: “ Raha ny ranomasina no ranomainty hanoratana ireo tenin’ny Tompoko, dia ho ritra izany mialoha ny hahataperan’ireo tenin’ny Tompoko, na dia ampinay mitovy amin’izany koa aza ”. info
التفاسير:

external-link copy
110 : 18

قُلۡ إِنَّمَآ أَنَا۠ بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يُوحَىٰٓ إِلَيَّ أَنَّمَآ إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ فَمَن كَانَ يَرۡجُواْ لِقَآءَ رَبِّهِۦ فَلۡيَعۡمَلۡ عَمَلٗا صَٰلِحٗا وَلَا يُشۡرِكۡ بِعِبَادَةِ رَبِّهِۦٓ أَحَدَۢا

Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy. info
التفاسير: