ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
160 : 26

كَذَّبَتۡ قَوۡمُ لُوطٍ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan' i Lota. info
التفاسير:

external-link copy
161 : 26

إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ لُوطٌ أَلَا تَتَّقُونَ

Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Lota hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?" info
التفاسير:

external-link copy
162 : 26

إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ

Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo ! info
التفاسير:

external-link copy
163 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
164 : 26

وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’i Tompon’izao Tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
165 : 26

أَتَأۡتُونَ ٱلذُّكۡرَانَ مِنَ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Moa ve manao firaisana ara-nofo amin’ny lehilahin’izao tontolo izao ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
166 : 26

وَتَذَرُونَ مَا خَلَقَ لَكُمۡ رَبُّكُم مِّنۡ أَزۡوَٰجِكُمۚ بَلۡ أَنتُمۡ قَوۡمٌ عَادُونَ

Ary avelanareo ireo vehivavy vadinareo izay noharian’i Tomponareo ho anareo ? Ary ianareo dia tena vahoaka mpandika lalàna. info
التفاسير:

external-link copy
167 : 26

قَالُواْ لَئِن لَّمۡ تَنتَهِ يَٰلُوطُ لَتَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُخۡرَجِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Lota, dia tena ho anisan’ireo atao sesi-tany". info
التفاسير:

external-link copy
168 : 26

قَالَ إِنِّي لِعَمَلِكُم مِّنَ ٱلۡقَالِينَ

Niteny izy (Lota) hoe : “Marina fa izaho dia anisan’ireo mankahala ny asa izay ataonareo". info
التفاسير:

external-link copy
169 : 26

رَبِّ نَجِّنِي وَأَهۡلِي مِمَّا يَعۡمَلُونَ

Tompo o ! Avoty aho sy ny fianakaviako amin’izay ataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
170 : 26

فَنَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ أَجۡمَعِينَ

Ka navotanay àry izy sy ny fianakaviany rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
171 : 26

إِلَّا عَجُوزٗا فِي ٱلۡغَٰبِرِينَ

Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana. info
التفاسير:

external-link copy
172 : 26

ثُمَّ دَمَّرۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ

Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany. info
التفاسير:

external-link copy
173 : 26

وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهِم مَّطَرٗاۖ فَسَآءَ مَطَرُ ٱلۡمُنذَرِينَ

Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oram-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana. info
التفاسير:

external-link copy
174 : 26

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ

Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
175 : 26

وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ

Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
176 : 26

كَذَّبَ أَصۡحَٰبُ لۡـَٔيۡكَةِ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Nilaza ireo iraka ho mpandainga ireo olon’ny Al-Aikaty. info
التفاسير:

external-link copy
177 : 26

إِذۡ قَالَ لَهُمۡ شُعَيۡبٌ أَلَا تَتَّقُونَ

Rehefa niteny tamin’izy ireo i Choaymbo hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
178 : 26

إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ

Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo ! info
التفاسير:

external-link copy
179 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
180 : 26

وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
181 : 26

۞ أَوۡفُواْ ٱلۡكَيۡلَ وَلَا تَكُونُواْ مِنَ ٱلۡمُخۡسِرِينَ

Manomeza fatra feno ianareo,fa azamanao ho isan'ieo mpanena fatra. info
التفاسير:

external-link copy
182 : 26

وَزِنُواْ بِٱلۡقِسۡطَاسِ ٱلۡمُسۡتَقِيمِ

Ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
183 : 26

وَلَا تَبۡخَسُواْ ٱلنَّاسَ أَشۡيَآءَهُمۡ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ

Ary aza manome ny olona izay latsaky ny tokony ho azy ianareo; ary aza manao fanakorontanana sy asa fanimbana eto an-tany ianareo. info
التفاسير: