ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
40 : 26

لَعَلَّنَا نَتَّبِعُ ٱلسَّحَرَةَ إِن كَانُواْ هُمُ ٱلۡغَٰلِبِينَ

Angamba hanaraka ireo mpanao majika isika raha izy ireo no mivoaka mpandresy. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 26

فَلَمَّا جَآءَ ٱلسَّحَرَةُ قَالُواْ لِفِرۡعَوۡنَ أَئِنَّ لَنَا لَأَجۡرًا إِن كُنَّا نَحۡنُ ٱلۡغَٰلِبِينَ

Ka rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny izy ireo tamin’i Faraona hoe : “Moa ve tena hisy valisoa marina ho anay, raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?” info
التفاسير:

external-link copy
42 : 26

قَالَ نَعَمۡ وَإِنَّكُمۡ إِذٗا لَّمِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ

Niteny izy (Faraona) hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 26

قَالَ لَهُم مُّوسَىٰٓ أَلۡقُواْ مَآ أَنتُم مُّلۡقُونَ

Niteny tamin’izy ireo i Mosesy hoe : “Atsipazo izay hatsipinareo”. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 26

فَأَلۡقَوۡاْ حِبَالَهُمۡ وَعِصِيَّهُمۡ وَقَالُواْ بِعِزَّةِ فِرۡعَوۡنَ إِنَّا لَنَحۡنُ ٱلۡغَٰلِبُونَ

Ka natsipin’izy ireo ny tadiny sy ny tehiny ; ary niteny izy ireo hoe : “Amin’ny alalan’ny fahefan’i Faraona ! Izahay no tena hivoaka mpandresy !”. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 26

فَأَلۡقَىٰ مُوسَىٰ عَصَاهُ فَإِذَا هِيَ تَلۡقَفُ مَا يَأۡفِكُونَ

Avy eo dia natsipin’i Mosesy ny tehiny, dia indro izy fa mitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 26

فَأُلۡقِيَ ٱلسَّحَرَةُ سَٰجِدِينَ

Tamin’izay dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 26

قَالُوٓاْ ءَامَنَّا بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Mino an’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay". info
التفاسير:

external-link copy
48 : 26

رَبِّ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ

Tompon’i Mosesy sy Harona. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 26

قَالَ ءَامَنتُمۡ لَهُۥ قَبۡلَ أَنۡ ءَاذَنَ لَكُمۡۖ إِنَّهُۥ لَكَبِيرُكُمُ ٱلَّذِي عَلَّمَكُمُ ٱلسِّحۡرَ فَلَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَۚ لَأُقَطِّعَنَّ أَيۡدِيَكُمۡ وَأَرۡجُلَكُم مِّنۡ خِلَٰفٖ وَلَأُصَلِّبَنَّكُمۡ أَجۡمَعِينَ

Niteny izy (Faraona) hoe : “Nino azy ve ianareo, alohan’ny hanomezako alalana anareo ? Tena marina fa izy no lehibenareo izay nampianatra anareo ny majika ; ka ho fantatrareo tsy ho ela ! Tena ho tapahiko ny tananareo sy ny tongotrareo izay mifanohitra amin’ny andaniny avy, ary ho fantsihiko amin’ny hazo ianareo rehetra”. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 26

قَالُواْ لَا ضَيۡرَۖ إِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا مُنقَلِبُونَ

Niteny izy ireo hoe : “Tsy misy maharatsy izany ! Marina fa any amin’ny Tomponay no hiverenanay" info
التفاسير:

external-link copy
51 : 26

إِنَّا نَطۡمَعُ أَن يَغۡفِرَ لَنَا رَبُّنَا خَطَٰيَٰنَآ أَن كُنَّآ أَوَّلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Tena marina fa maniry mafy izahay mba ho avelan’ny Tomponay ny fahadisoanay, noho izahay voalohany tamin’ireo mpino. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 26

۞ وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنۡ أَسۡرِ بِعِبَادِيٓ إِنَّكُم مُّتَّبَعُونَ

Ary nandefasanay fanambarana i Mosesy hoe : “Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao, fa hisy mpanenjika ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 26

فَأَرۡسَلَ فِرۡعَوۡنُ فِي ٱلۡمَدَآئِنِ حَٰشِرِينَ

Ka nandefa mpamory any amin’ireo tanàna i Faraona (hilaza hoe) : info
التفاسير:

external-link copy
54 : 26

إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ لَشِرۡذِمَةٞ قَلِيلُونَ

“Tena marina fa andian’olona vitsivitsy ihany izy ireny”. info
التفاسير:

external-link copy
55 : 26

وَإِنَّهُمۡ لَنَا لَغَآئِظُونَ

Nefa izy ireo dia mahatezitra anay. info
التفاسير:

external-link copy
56 : 26

وَإِنَّا لَجَمِيعٌ حَٰذِرُونَ

Ary isika rehetra kosa dia fatra mpitandrina. info
التفاسير:

external-link copy
57 : 26

فَأَخۡرَجۡنَٰهُم مِّن جَنَّٰتٖ وَعُيُونٖ

Ka navoakanay izy ireo avy tamin’ireo zaridaina sy ireo loharano. info
التفاسير:

external-link copy
58 : 26

وَكُنُوزٖ وَمَقَامٖ كَرِيمٖ

Ary ireo harena sarobidy sy ny toerana mendrika. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 26

كَذَٰلِكَۖ وَأَوۡرَثۡنَٰهَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ

Tahaka izany ! Ary dia nampandovanay ireo zanak’Israely izany (rehetra izany). info
التفاسير:

external-link copy
60 : 26

فَأَتۡبَعُوهُم مُّشۡرِقِينَ

Nanenjika azy ireo izy ireo rehefa niposaka ny masoandro. info
التفاسير: