ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
20 : 26

قَالَ فَعَلۡتُهَآ إِذٗا وَأَنَا۠ مِنَ ٱلضَّآلِّينَ

Niteny izy hoe : “Nataoko tokoa izany, fony aho mbola anisan’ireo very lalana". info
التفاسير:

external-link copy
21 : 26

فَفَرَرۡتُ مِنكُمۡ لَمَّا خِفۡتُكُمۡ فَوَهَبَ لِي رَبِّي حُكۡمٗا وَجَعَلَنِي مِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

- Ka nandositra aho satria natahotra anareo, avy eo dia nomen’ny Tompoko fahendrena aho, ary nataony ho anisan’ireo Iraka. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 26

وَتِلۡكَ نِعۡمَةٞ تَمُنُّهَا عَلَيَّ أَنۡ عَبَّدتَّ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ

Ary izany ve no fahasoavana izay ahindrahindranao amiko, nefa ianao nanandevo ireo zanak’Israely ? info
التفاسير:

external-link copy
23 : 26

قَالَ فِرۡعَوۡنُ وَمَا رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Niteny i Faraona hoe : “Fa iza no Tompon’izao tontolo izao ?” info
التفاسير:

external-link copy
24 : 26

قَالَ رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَآۖ إِن كُنتُم مُّوقِنِينَ

Niteny izy hoe : “Ilay Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, raha toa ka manana fitokisana marina ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 26

قَالَ لِمَنۡ حَوۡلَهُۥٓ أَلَا تَسۡتَمِعُونَ

Niteny izy tamin’ireo manodidina azy hoe : “Moa ve tsy henonareo (izany) ?” info
التفاسير:

external-link copy
26 : 26

قَالَ رَبُّكُمۡ وَرَبُّ ءَابَآئِكُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ

Niteny izy hoe : “Ilay Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo teo aloha”. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 26

قَالَ إِنَّ رَسُولَكُمُ ٱلَّذِيٓ أُرۡسِلَ إِلَيۡكُمۡ لَمَجۡنُونٞ

Niteny izy (Faraona) hoe : “Marina fa ny iraka izay nalefa eo aminareo dia tena adala tokoa”. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 26

قَالَ رَبُّ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ وَمَا بَيۡنَهُمَآۖ إِن كُنتُمۡ تَعۡقِلُونَ

Niteny izy (Mosesy) hoe : “Ilay Tompon’ny atsinanana sy ny andrefana sy izay manelanelana azy ireo, raha mba misaina ianareo !”. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 26

قَالَ لَئِنِ ٱتَّخَذۡتَ إِلَٰهًا غَيۡرِي لَأَجۡعَلَنَّكَ مِنَ ٱلۡمَسۡجُونِينَ

Niteny izy (Faraona) hoe : “Raha mandray zanahary hafa ankoatra ahy ianao, dia tena ataoko ho anisan’ireo voafonja”. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 26

قَالَ أَوَلَوۡ جِئۡتُكَ بِشَيۡءٖ مُّبِينٖ

Dia niteny izy (Mosesy) hoe : “Ary na dia hitondrako zavatra ho porofo miharihary ve ianao ?”. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 26

قَالَ فَأۡتِ بِهِۦٓ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ

Niteny izy (Faraona) hoe : “Ento àry izany raha toa ka anisan’ireo olona marina ianao”. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 26

فَأَلۡقَىٰ عَصَاهُ فَإِذَا هِيَ ثُعۡبَانٞ مُّبِينٞ

Ka natorany ny tehiny, dia lasa bibilava lehibe miharihary izany. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 26

وَنَزَعَ يَدَهُۥ فَإِذَا هِيَ بَيۡضَآءُ لِلنَّٰظِرِينَ

Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 26

قَالَ لِلۡمَلَإِ حَوۡلَهُۥٓ إِنَّ هَٰذَا لَسَٰحِرٌ عَلِيمٞ

Niteny izy (Faraona) tamin’ireo loholona nanodidina azy hoe : “Izany tokoa no mpanao majika mahay”. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 26

يُرِيدُ أَن يُخۡرِجَكُم مِّنۡ أَرۡضِكُم بِسِحۡرِهِۦ فَمَاذَا تَأۡمُرُونَ

Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo amin’ny alalan’ny majikany izy, ka inona no hevitra homenareo ahy ?” info
التفاسير:

external-link copy
36 : 26

قَالُوٓاْ أَرۡجِهۡ وَأَخَاهُ وَٱبۡعَثۡ فِي ٱلۡمَدَآئِنِ حَٰشِرِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Ampiandraso izy sy ny rahalahiny, ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona" info
التفاسير:

external-link copy
37 : 26

يَأۡتُوكَ بِكُلِّ سَحَّارٍ عَلِيمٖ

Ka ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ireo mpanao majika avo lenta tena mahay. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 26

فَجُمِعَ ٱلسَّحَرَةُ لِمِيقَٰتِ يَوۡمٖ مَّعۡلُومٖ

Ka dia navory ireo mpanao majika, ho amin’ny fotoana, amin’ilay andro voatondro. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 26

وَقِيلَ لِلنَّاسِ هَلۡ أَنتُم مُّجۡتَمِعُونَ

Ary notenenina ireo olona hoe : “Moa ve hivory ianareo ?” info
التفاسير: