ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
112 : 26

قَالَ وَمَا عِلۡمِي بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ

Niteny izy hoe : “Tsy manana fahalalana amin’izay zavatra ataon’izy ireo aho". info
التفاسير:

external-link copy
113 : 26

إِنۡ حِسَابُهُمۡ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّيۖ لَوۡ تَشۡعُرُونَ

Tsy misy fitsarana azy ireo afa-tsy any amin’ny Tompoko, raha mba tsapanareo izany. info
التفاسير:

external-link copy
114 : 26

وَمَآ أَنَا۠ بِطَارِدِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Ary tsy izaho mihitsy no handroaka ireo mpino. info
التفاسير:

external-link copy
115 : 26

إِنۡ أَنَا۠ إِلَّا نَذِيرٞ مُّبِينٞ

Tsy iza akory aho afa-tsy mpananatra miharihary ihany. info
التفاسير:

external-link copy
116 : 26

قَالُواْ لَئِن لَّمۡ تَنتَهِ يَٰنُوحُ لَتَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمَرۡجُومِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Noa dia tena ho anisan’ireo voatora-bato tokoa”. info
التفاسير:

external-link copy
117 : 26

قَالَ رَبِّ إِنَّ قَوۡمِي كَذَّبُونِ

Niteny izy (Noa) hoe : “Tompo ô ! Tena nilaza ahy ho mpandainga ny vahoakako ! info
التفاسير:

external-link copy
118 : 26

فَٱفۡتَحۡ بَيۡنِي وَبَيۡنَهُمۡ فَتۡحٗا وَنَجِّنِي وَمَن مَّعِيَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Ka tsarao amin’ny fitsarana mazava àry ny amiko sy ny amin’izy ireo ; ary avoty aho sy ireo mpino miaraka amiko”. info
التفاسير:

external-link copy
119 : 26

فَأَنجَيۡنَٰهُ وَمَن مَّعَهُۥ فِي ٱلۡفُلۡكِ ٱلۡمَشۡحُونِ

Dia navotanay izy sy ireo izay niaraka taminy, tao anatin’ny sambo fiara feno tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
120 : 26

ثُمَّ أَغۡرَقۡنَا بَعۡدُ ٱلۡبَاقِينَ

Avy eo dia narendrikay taorian’izany ireo sisa tavela. info
التفاسير:

external-link copy
121 : 26

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ

Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
122 : 26

وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ

Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
123 : 26

كَذَّبَتۡ عَادٌ ٱلۡمُرۡسَلِينَ

Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ireo ‘Aad. info
التفاسير:

external-link copy
124 : 26

إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ هُودٌ أَلَا تَتَّقُونَ

Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Hod hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
125 : 26

إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ

Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo ! info
التفاسير:

external-link copy
126 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’i Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
127 : 26

وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho ny amin'izany, tsy misy karama afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao aho. info
التفاسير:

external-link copy
128 : 26

أَتَبۡنُونَ بِكُلِّ رِيعٍ ءَايَةٗ تَعۡبَثُونَ

Moa ve manorina tsangam-bato isaky ny havoana ianareo mba hanaovanareo rendrarendra ? info
التفاسير:

external-link copy
129 : 26

وَتَتَّخِذُونَ مَصَانِعَ لَعَلَّكُمۡ تَخۡلُدُونَ

Ary moa ve manangana lapa ianareo tahaka ny hitoeranareo mandrakizay ? info
التفاسير:

external-link copy
130 : 26

وَإِذَا بَطَشۡتُم بَطَشۡتُمۡ جَبَّارِينَ

Ary rehefa manasazy ianareo, dia manasazy tsy misy fiantràna . info
التفاسير:

external-link copy
131 : 26

فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ

Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy. info
التفاسير:

external-link copy
132 : 26

وَٱتَّقُواْ ٱلَّذِيٓ أَمَدَّكُم بِمَا تَعۡلَمُونَ

Ary matahora izay nanome anareo zavatra (tsara rehetra) izay efa fantatrareo ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
133 : 26

أَمَدَّكُم بِأَنۡعَٰمٖ وَبَنِينَ

Izay nanome anareo ireo biby fiompy sy ireo zanaka. info
التفاسير:

external-link copy
134 : 26

وَجَنَّٰتٖ وَعُيُونٍ

Ary ireo zaridaina sy ireo loharano. info
التفاسير:

external-link copy
135 : 26

إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ

Marina fa izaho dia matahotra ny famaizana ho anareo amin’ny Andro lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
136 : 26

قَالُواْ سَوَآءٌ عَلَيۡنَآ أَوَعَظۡتَ أَمۡ لَمۡ تَكُن مِّنَ ٱلۡوَٰعِظِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Mitovy ihany izany aminay, na mananatra ianao na tsy anisan’ireo mpananatra ! info
التفاسير: