ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
77 : 20

وَلَقَدۡ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنۡ أَسۡرِ بِعِبَادِي فَٱضۡرِبۡ لَهُمۡ طَرِيقٗا فِي ٱلۡبَحۡرِ يَبَسٗا لَّا تَخَٰفُ دَرَكٗا وَلَا تَخۡشَىٰ

Ary nolazainay tamin’i Mosa ny hoe : “ Mandehana amin’ny alina, miaraka amin’ireo mpanompoko Ianao, ka kapohy ny ranomasina ho làlan’izy ireo. Aza matahotra ny fanenjehana, ary aza manahy Ianao ! ” info
التفاسير:

external-link copy
78 : 20

فَأَتۡبَعَهُمۡ فِرۡعَوۡنُ بِجُنُودِهِۦ فَغَشِيَهُم مِّنَ ٱلۡيَمِّ مَا غَشِيَهُمۡ

Ka nanenjika azy ireo i Faraona niaraka tamin’ireo miaramilany, nefa voarakotry ny ranomasina tanteraka izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
79 : 20

وَأَضَلَّ فِرۡعَوۡنُ قَوۡمَهُۥ وَمَا هَدَىٰ

Ary noverezin’i Faraona ny vahoakany, ka tsy notarihiny tamin’ny làla-mahitsy. info
التفاسير:

external-link copy
80 : 20

يَٰبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ قَدۡ أَنجَيۡنَٰكُم مِّنۡ عَدُوِّكُمۡ وَوَٰعَدۡنَٰكُمۡ جَانِبَ ٱلطُّورِ ٱلۡأَيۡمَنَ وَنَزَّلۡنَا عَلَيۡكُمُ ٱلۡمَنَّ وَٱلسَّلۡوَىٰ

Ô ry Zanakan’Israely ! Efa navotanay teo amin’ny fahavalonareo Ianareo, ary efa nomenay fotoana teo amin’ny ilany havanan’ny tendrombohitra Tora ihany koa Ianareo, ary mbola nampidininay Taminareo ny mana sy ireo mpapelika. info
التفاسير:

external-link copy
81 : 20

كُلُواْ مِن طَيِّبَٰتِ مَا رَزَقۡنَٰكُمۡ وَلَا تَطۡغَوۡاْ فِيهِ فَيَحِلَّ عَلَيۡكُمۡ غَضَبِيۖ وَمَن يَحۡلِلۡ عَلَيۡهِ غَضَبِي فَقَدۡ هَوَىٰ

Mihinàna Ianareo amin’ireo sakafo tsara izay anjara nomenay Anareo. Ary aza mihoa-pefy amin’izany Ianareo, raha tsy izany, dia hianjera Aminareo ny hatezerako. Fa izay hianjeran’ny hatezerako, dia mankany amin’ny fahapotehana tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
82 : 20

وَإِنِّي لَغَفَّارٞ لِّمَن تَابَ وَءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا ثُمَّ ٱهۡتَدَىٰ

Ary Izaho dia tena Mpamela heloka, ho an’izay mibebaka sy mino, ary manao asa soa, ka mizotra amin’ny làla-mahitsy. info
التفاسير:

external-link copy
83 : 20

۞ وَمَآ أَعۡجَلَكَ عَن قَوۡمِكَ يَٰمُوسَىٰ

“Fa inona ry Mosa no nahamaika Anao hiala ny vahoakanao ? ” info
التفاسير:

external-link copy
84 : 20

قَالَ هُمۡ أُوْلَآءِ عَلَىٰٓ أَثَرِي وَعَجِلۡتُ إِلَيۡكَ رَبِّ لِتَرۡضَىٰ

Niteny i Mosa ka nanao hoe : “ Izy ireo dia nanara-dia Ahy. Ary nanafaingana ny diako aty Aminao Aho, mba hankasitrahanao. info
التفاسير:

external-link copy
85 : 20

قَالَ فَإِنَّا قَدۡ فَتَنَّا قَوۡمَكَ مِنۢ بَعۡدِكَ وَأَضَلَّهُمُ ٱلسَّامِرِيُّ

Hoy Allah : “Nosedrainay tokoa ny vahoakanao, taorian’ny nandehananao. Ka noverezin’i Samiri làlana izy ireo, (tamin’ny nitarihiny azy ireo, hanompo ilay zanak’omby volamena) info
التفاسير:

external-link copy
86 : 20

فَرَجَعَ مُوسَىٰٓ إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ غَضۡبَٰنَ أَسِفٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ أَلَمۡ يَعِدۡكُمۡ رَبُّكُمۡ وَعۡدًا حَسَنًاۚ أَفَطَالَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡعَهۡدُ أَمۡ أَرَدتُّمۡ أَن يَحِلَّ عَلَيۡكُمۡ غَضَبٞ مِّن رَّبِّكُمۡ فَأَخۡلَفۡتُم مَّوۡعِدِي

Ary dia niverina tany amin’ny vahoakany i Mosa, tezitra no sady nalahelo ka niteny izy nanao hoe : “ Ô ry vahoakako ! Moa ve tsy efa nanome fampanantenana tsara ho Anareo ny Tomponareo ? Moa ve ela loatra Taminareo ny fifanekena ? Sa irinareo ny hianjeran’ny fahatezeran’ny Tomponareo Aminareo, nohon'ny famadihanareo ny fotoana nifanekena Tamiko ?”. info
التفاسير:

external-link copy
87 : 20

قَالُواْ مَآ أَخۡلَفۡنَا مَوۡعِدَكَ بِمَلۡكِنَا وَلَٰكِنَّا حُمِّلۡنَآ أَوۡزَارٗا مِّن زِينَةِ ٱلۡقَوۡمِ فَقَذَفۡنَٰهَا فَكَذَٰلِكَ أَلۡقَى ٱلسَّامِرِيُّ

Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy nohon'ny sitraponay loatra no nivadihanay tamin’ny fotoana nifanekena Taminao, saingy noterena hivesatra ireo firavaky ny vahoakan’i Faraona Izahay, ka nodoranay avokoa (tamin’ny afo) izany araka ny hevitra natsipin’i Samiry. info
التفاسير: