ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
126 : 20

قَالَ كَذَٰلِكَ أَتَتۡكَ ءَايَٰتُنَا فَنَسِيتَهَاۖ وَكَذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمَ تُنسَىٰ

Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Toy izany no nahatongavan’ny Famantaranay teo Aminao, ka nanadino izany Ianao, dia toy izany koa no hanadinoana Anao Androany ”. info
التفاسير:

external-link copy
127 : 20

وَكَذَٰلِكَ نَجۡزِي مَنۡ أَسۡرَفَ وَلَمۡ يُؤۡمِنۢ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِۦۚ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَشَدُّ وَأَبۡقَىٰٓ

Ary tahaka izany no hanasazianay izay mihoa-pefy sy tsy mino ireo Famantarana avy amin’ny Tompony. Ary tena marina fa ny famaizana any an-koatra no tena mafy sady maharitra. info
التفاسير:

external-link copy
128 : 20

أَفَلَمۡ يَهۡدِ لَهُمۡ كَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّنَ ٱلۡقُرُونِ يَمۡشُونَ فِي مَسَٰكِنِهِمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّأُوْلِي ٱلنُّهَىٰ

Tsy ampy ho toro-làlana ho azy ireo ve, firifiry moa no naringanay, talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka maro tao amin’ireo fonenana izay andehanan’izy ireo ankehitriny ? Tena marina fa izany dia Famantarana ho an’ireo matsilo saina ! info
التفاسير:

external-link copy
129 : 20

وَلَوۡلَا كَلِمَةٞ سَبَقَتۡ مِن رَّبِّكَ لَكَانَ لِزَامٗا وَأَجَلٞ مُّسَمّٗى

Raha tsy ny fisian’ny Teny izay efa noraisin’ny Tomponao mialoha, sy ny fotoana izay efa voafaritra, dia tsy afa-bela (amin’ny famaizana) izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
130 : 20

فَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِ رَبِّكَ قَبۡلَ طُلُوعِ ٱلشَّمۡسِ وَقَبۡلَ غُرُوبِهَاۖ وَمِنۡ ءَانَآيِٕ ٱلَّيۡلِ فَسَبِّحۡ وَأَطۡرَافَ ٱلنَّهَارِ لَعَلَّكَ تَرۡضَىٰ

Zakao amim-paharetana izay lazain’izy ireo, ary ankalazao amim-piderana ny Tomponao, alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy mialohan’ny filentehany. Ary mandritra ny alina, dia ankalazao ny voninahiny, sy eo amin’ny fiandohan’ny andro ary ny fiafarany. Angamba ahazo fahafaham-po Ianao. info
التفاسير:

external-link copy
131 : 20

وَلَا تَمُدَّنَّ عَيۡنَيۡكَ إِلَىٰ مَا مَتَّعۡنَا بِهِۦٓ أَزۡوَٰجٗا مِّنۡهُمۡ زَهۡرَةَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا لِنَفۡتِنَهُمۡ فِيهِۚ وَرِزۡقُ رَبِّكَ خَيۡرٞ وَأَبۡقَىٰ

Ary aza atopy mankany amin’izay fahafinaretana mandalo nomenay hifalian’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo ny masonao ; tahaka ny ravaky ny fiainana an-tany hisedrana azy ireo izany. Ny fanomezana izay avy amin’ny Tomponao no tena tsara indrindra, sady maharitra. info
التفاسير:

external-link copy
132 : 20

وَأۡمُرۡ أَهۡلَكَ بِٱلصَّلَوٰةِ وَٱصۡطَبِرۡ عَلَيۡهَاۖ لَا نَسۡـَٔلُكَ رِزۡقٗاۖ نَّحۡنُ نَرۡزُقُكَۗ وَٱلۡعَٰقِبَةُ لِلتَّقۡوَىٰ

Ary didio ny Fianakavianao amin’ny fanatanterahana ny Soalat (vavaka), ary mahareta amin’izany (Soalat) koa Ianao. Tsy mangataka anjara fivelomana Aminao Izahay, fa Izahay no manome anjara fivelomana ho Anao. fa ny fiafarana tsara dia ho an’ny manam-patahorana. info
التفاسير:

external-link copy
133 : 20

وَقَالُواْ لَوۡلَا يَأۡتِينَا بِـَٔايَةٖ مِّن رَّبِّهِۦٓۚ أَوَلَمۡ تَأۡتِهِم بَيِّنَةُ مَا فِي ٱلصُّحُفِ ٱلۡأُولَىٰ

Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nahoana Izahay no tsy hitondrany fahagagana avy amin’ny Tompony ? ”. Moa ve tsy efa tonga tamin’izy ireo ny porofo izay noraiketin’ireo Boky teo aloha ? info
التفاسير:

external-link copy
134 : 20

وَلَوۡ أَنَّآ أَهۡلَكۡنَٰهُم بِعَذَابٖ مِّن قَبۡلِهِۦ لَقَالُواْ رَبَّنَا لَوۡلَآ أَرۡسَلۡتَ إِلَيۡنَا رَسُولٗا فَنَتَّبِعَ ءَايَٰتِكَ مِن قَبۡلِ أَن نَّذِلَّ وَنَخۡزَىٰ

Ary raha naringanay tamin’ny famaizana talohan’ny nahatongavany (Mohammady) izy ireo, dia ho niteny tokoa izy ireo ka nanao hoe : “ Ry Tomponay ô ! Nahoana no tsy nandefasanao Iraka izahay ? Dia ho nanaraka ny famantaranao (porofo fanambarana) Izahay, mialohan’ny hiatrehanay (ambany dia ambany), sy fahafaham-baraka Aminay ”. info
التفاسير:

external-link copy
135 : 20

قُلۡ كُلّٞ مُّتَرَبِّصٞ فَتَرَبَّصُواْۖ فَسَتَعۡلَمُونَ مَنۡ أَصۡحَٰبُ ٱلصِّرَٰطِ ٱلسَّوِيِّ وَمَنِ ٱهۡتَدَىٰ

Teneno hoe : “ Ny tsirairay dia samy miandry avokoa. Miandrasa ihany koa àry Ianareo ! Tsy ho ela dia ho fantatrareo, iza ireo Olon’ny làla-mahitsy, sy ireo izay voatari-dàlana ”. info
التفاسير: