Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad

Broj stranice:close

external-link copy
211 : 2

سَلۡ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ كَمۡ ءَاتَيۡنَٰهُم مِّنۡ ءَايَةِۭ بَيِّنَةٖۗ وَمَن يُبَدِّلۡ نِعۡمَةَ ٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَتۡهُ فَإِنَّ ٱللَّهَ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ

Anontanio ireo zanak’Israely, firy ireo fahagagana mibaribary nentinay tamin’izy ireo, ary na iza na iza manova ny fahasoavan’Allah taorian’ny fahatongavan’izany taminy, dia tadidio fa mafy ny sazin’Allah. info
التفاسير:

external-link copy
212 : 2

زُيِّنَ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا وَيَسۡخَرُونَ مِنَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْۘ وَٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ فَوۡقَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ وَٱللَّهُ يَرۡزُقُ مَن يَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٖ

Nohaingoina ho an’ireo izay tsy nino ny fiainana eto an-tany, ary maneso an’ireo izay nino izy ireo. nefa ireo izay manam-pahatahorana dia ambonin’izy ireo amin’ny andro fitsanganana. ary Allah dia manome anjara tsy tambo isaina ho an’izay sitrany. info
التفاسير:

external-link copy
213 : 2

كَانَ ٱلنَّاسُ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ فَبَعَثَ ٱللَّهُ ٱلنَّبِيِّـۧنَ مُبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَ وَأَنزَلَ مَعَهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَ ٱلنَّاسِ فِيمَا ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِۚ وَمَا ٱخۡتَلَفَ فِيهِ إِلَّا ٱلَّذِينَ أُوتُوهُ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَتۡهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُ بَغۡيَۢا بَيۡنَهُمۡۖ فَهَدَى ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لِمَا ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِ مِنَ ٱلۡحَقِّ بِإِذۡنِهِۦۗ وَٱللَّهُ يَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٍ

Vahoaka iray ny olombelona tany am-piandohana.ka nalefan’i Allah ireo Mpaminany ho mpanambara vaovao mahafaly sy mpampitandrina; ary nampidininy niaraka tamin’Izy ireo ny Boky feno fahamarinana, mba hitsarany ny olombelona momba ny fifanolanana nisy teo aminy. ary tsy nisy nifanolana tamin’izany afa-tsy ireo izay nomena izany (Boky) taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mibaribary tamin’izy ireo noho ny fifanoherana nisy tamin’izy ireo. dia notarihin’i Allah làlana ireo izay nino ho amin’ny fahamarinana tamin’izay nampifanolana azy ireo, noho ny famindram-pony. ary Tompo Allah dia manoro làlana izay sitrany ho amin’ny làlana mahitsy. info
التفاسير:

external-link copy
214 : 2

أَمۡ حَسِبۡتُمۡ أَن تَدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ وَلَمَّا يَأۡتِكُم مَّثَلُ ٱلَّذِينَ خَلَوۡاْ مِن قَبۡلِكُمۖ مَّسَّتۡهُمُ ٱلۡبَأۡسَآءُ وَٱلضَّرَّآءُ وَزُلۡزِلُواْ حَتَّىٰ يَقُولَ ٱلرَّسُولُ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ مَتَىٰ نَصۡرُ ٱللَّهِۗ أَلَآ إِنَّ نَصۡرَ ٱللَّهِ قَرِيبٞ

Mihevitra ny hiditra ny Paradisa va ianareo ka tsy handalo fisedrana tahaka ireo vahoaka tany alohanareo? Nianjady tamin’izy ireny avokoa mantsy ny loza amin’antambo ka tena voadona tokoa izy ireo, ary nahatonga ilay Irak’Allah sy ireo mpanaradia azy nametrapanontaniana hoe : “Rahoviana ihany no ho tonga ny famonjen’Allah?” Moa va tsy efa mby akaiky ny famonjen’Allah? info
التفاسير:

external-link copy
215 : 2

يَسۡـَٔلُونَكَ مَاذَا يُنفِقُونَۖ قُلۡ مَآ أَنفَقۡتُم مِّنۡ خَيۡرٖ فَلِلۡوَٰلِدَيۡنِ وَٱلۡأَقۡرَبِينَ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَٱبۡنِ ٱلسَّبِيلِۗ وَمَا تَفۡعَلُواْ مِنۡ خَيۡرٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ بِهِۦ عَلِيمٞ

Manontany anao izy ireo : “Amin’inona no tokony handanian’izy ireo ny harenany? Koa lazao azy ireo hoe : “Izay mety ho tsara no handanianareo izany, ho an’ny Ray amandReny, ireo izay akaiky anareo, ireo kamboty, ireo mahantra, ary ireo mpandeha lany vatsy. Ary izay mety ho soa ataonareo, dia hamafisina, fa hain’Allah avokoa izany. info
التفاسير: