Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad

Broj stranice:close

external-link copy
102 : 2

وَٱتَّبَعُواْ مَا تَتۡلُواْ ٱلشَّيَٰطِينُ عَلَىٰ مُلۡكِ سُلَيۡمَٰنَۖ وَمَا كَفَرَ سُلَيۡمَٰنُ وَلَٰكِنَّ ٱلشَّيَٰطِينَ كَفَرُواْ يُعَلِّمُونَ ٱلنَّاسَ ٱلسِّحۡرَ وَمَآ أُنزِلَ عَلَى ٱلۡمَلَكَيۡنِ بِبَابِلَ هَٰرُوتَ وَمَٰرُوتَۚ وَمَا يُعَلِّمَانِ مِنۡ أَحَدٍ حَتَّىٰ يَقُولَآ إِنَّمَا نَحۡنُ فِتۡنَةٞ فَلَا تَكۡفُرۡۖ فَيَتَعَلَّمُونَ مِنۡهُمَا مَا يُفَرِّقُونَ بِهِۦ بَيۡنَ ٱلۡمَرۡءِ وَزَوۡجِهِۦۚ وَمَا هُم بِضَآرِّينَ بِهِۦ مِنۡ أَحَدٍ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ وَيَتَعَلَّمُونَ مَا يَضُرُّهُمۡ وَلَا يَنفَعُهُمۡۚ وَلَقَدۡ عَلِمُواْ لَمَنِ ٱشۡتَرَىٰهُ مَا لَهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنۡ خَلَٰقٖۚ وَلَبِئۡسَ مَا شَرَوۡاْ بِهِۦٓ أَنفُسَهُمۡۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ

Ary dia nanaraka izay nolazain’ireo satana tao amin’ny fanjakan’i Souleiman izy ireo. Tsy mbola nitsipaka ny didin’Allah velively raha i Souleiman, fa ireo satana indrindra no nitsipaka ny didin’Allah; nampianatra mosavy ny olona izy ireo, sy izay nampidinina tamin’ireo Anjely roa tany Babilôna : Harota sy Marota. Ary tsy nampianatra na iza na iza ireo anjely roa ireo raha tsy niteny mialoha nanao hoe : “Tsy inona akory izahay raha tsy fakam-panahy ihany; ka aoka ianareo mba tsy ho isan’ireo tsy mpino”; koa dia nianaran’izy ireo tamin’ireto anjely ireto tamin’izany ny fomba fampisarahana ny olona amin’ny vadiny. Kanefa tsy afaka nisompatra olona izy ireny raha tsy sitrak’Allah. Ary ny zavatra nanimba ny tenan’izy ireo ihany no nianarany, fa tsy izay misy vokatsoa ho azy. Ary efa fantatr’izy ireo tsara ihany koa, fa izay misafidy izany, dia tsy hahazo anjara intsony any an-koatra. Ka tena faharatsiana tokoa no natakalon’izy ireny ny fanahiny! Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany! info
التفاسير:

external-link copy
103 : 2

وَلَوۡ أَنَّهُمۡ ءَامَنُواْ وَٱتَّقَوۡاْ لَمَثُوبَةٞ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ خَيۡرٞۚ لَّوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ

Fa raha nino sy nitandrina izy ireny, dia ho tsara lavitra ny valisoa avy amin’Allah, Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany! info
التفاسير:

external-link copy
104 : 2

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَقُولُواْ رَٰعِنَا وَقُولُواْ ٱنظُرۡنَا وَٱسۡمَعُواْۗ وَلِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٌ أَلِيمٞ

o ianareo mpino! Aza miteny hoe : “Asongadino izahay”. Fa mitenena hoe : “Jereo izahay”; ary mihainoa ianareo! Fa, sazy feno fanaintainana no miandry ireo tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
105 : 2

مَّا يَوَدُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ وَلَا ٱلۡمُشۡرِكِينَ أَن يُنَزَّلَ عَلَيۡكُم مِّنۡ خَيۡرٖ مِّن رَّبِّكُمۡۚ وَٱللَّهُ يَخۡتَصُّ بِرَحۡمَتِهِۦ مَن يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ ذُو ٱلۡفَضۡلِ ٱلۡعَظِيمِ

Tsy tian'ireo tsy mpino, na ireo vahoaka ny jiosy na ireo mpanompo sampy, ny hirotsahan'ny fahasoavana eo aminareo, avy amin'ny Tomponareo; nefa Allah no manokana ny indrafony ho an'izay sitrany; ary Allah no tompon'ilay fahasoavana lehibe. info
التفاسير: