Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad

Broj stranice:close

external-link copy
191 : 2

وَٱقۡتُلُوهُمۡ حَيۡثُ ثَقِفۡتُمُوهُمۡ وَأَخۡرِجُوهُم مِّنۡ حَيۡثُ أَخۡرَجُوكُمۡۚ وَٱلۡفِتۡنَةُ أَشَدُّ مِنَ ٱلۡقَتۡلِۚ وَلَا تُقَٰتِلُوهُمۡ عِندَ ٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِ حَتَّىٰ يُقَٰتِلُوكُمۡ فِيهِۖ فَإِن قَٰتَلُوكُمۡ فَٱقۡتُلُوهُمۡۗ كَذَٰلِكَ جَزَآءُ ٱلۡكَٰفِرِينَ

Vonoy na aiza na aiza hahatraranareo azy ireo; ary roahy amin’izay nandroahany anareo ihany koa, fa ny fanakorontanana (fitarihana amin’ny tsy finoana) dia mbola ratsy mihoatra ny famonoana ho faty. Aoka anefa ianareo tsy hifamono amin’izy ireo eo amin’ny faritr’ilay trano masina fiankohofana (Masjid Al haram), raha tsy hoe miady aminareo any izy ireo. Fa raha miady aminareo any kosa izy ireo, dia valio araka izany. Toy izany no valiny sahaza ireo tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
192 : 2

فَإِنِ ٱنتَهَوۡاْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ

Fa raha mampitsahatra (ny ady) kosa izy ireo, Allah dia tena Mpamela heloka sy be fiantrana. info
التفاسير:

external-link copy
193 : 2

وَقَٰتِلُوهُمۡ حَتَّىٰ لَا تَكُونَ فِتۡنَةٞ وَيَكُونَ ٱلدِّينُ لِلَّهِۖ فَإِنِ ٱنتَهَوۡاْ فَلَا عُدۡوَٰنَ إِلَّا عَلَى ٱلظَّٰلِمِينَ

Ary vonoy izy ireny mba tsy hampisy korontana, mba hahatonga ny fivavahana ho an’Allah irery. Fa raha mitsahatra amin’izany kosa izy ireo, dia tsy hisy fankahalana, afa-tsy amin’ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
194 : 2

ٱلشَّهۡرُ ٱلۡحَرَامُ بِٱلشَّهۡرِ ٱلۡحَرَامِ وَٱلۡحُرُمَٰتُ قِصَاصٞۚ فَمَنِ ٱعۡتَدَىٰ عَلَيۡكُمۡ فَٱعۡتَدُواْ عَلَيۡهِ بِمِثۡلِ مَا ٱعۡتَدَىٰ عَلَيۡكُمۡۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلۡمُتَّقِينَ

Ny volana masina amin’ny volana masina! Ary ireo zavatra masina dia mitaky valin-keloka. Ka izay manohitra anareo, dia mitsangana hanohitra azy tahaka ny nanoherany anareo. Kanefa aoka ianareo hatahotra an’Allah. Ary fantaronareo, fa Allaha dia momba mandrakariva ireo vontompinoana. info
التفاسير:

external-link copy
195 : 2

وَأَنفِقُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَلَا تُلۡقُواْ بِأَيۡدِيكُمۡ إِلَى ٱلتَّهۡلُكَةِ وَأَحۡسِنُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Aoka ianareo hanao fandaniana amin’ny làlan’Allah. Ary aza mandefa ny tànanareo any amin’ny fahapotehana. Fa manaova ny soa, satria Allah tia ireo mpanao soa. info
التفاسير:

external-link copy
196 : 2

وَأَتِمُّواْ ٱلۡحَجَّ وَٱلۡعُمۡرَةَ لِلَّهِۚ فَإِنۡ أُحۡصِرۡتُمۡ فَمَا ٱسۡتَيۡسَرَ مِنَ ٱلۡهَدۡيِۖ وَلَا تَحۡلِقُواْ رُءُوسَكُمۡ حَتَّىٰ يَبۡلُغَ ٱلۡهَدۡيُ مَحِلَّهُۥۚ فَمَن كَانَ مِنكُم مَّرِيضًا أَوۡ بِهِۦٓ أَذٗى مِّن رَّأۡسِهِۦ فَفِدۡيَةٞ مِّن صِيَامٍ أَوۡ صَدَقَةٍ أَوۡ نُسُكٖۚ فَإِذَآ أَمِنتُمۡ فَمَن تَمَتَّعَ بِٱلۡعُمۡرَةِ إِلَى ٱلۡحَجِّ فَمَا ٱسۡتَيۡسَرَ مِنَ ٱلۡهَدۡيِۚ فَمَن لَّمۡ يَجِدۡ فَصِيَامُ ثَلَٰثَةِ أَيَّامٖ فِي ٱلۡحَجِّ وَسَبۡعَةٍ إِذَا رَجَعۡتُمۡۗ تِلۡكَ عَشَرَةٞ كَامِلَةٞۗ ذَٰلِكَ لِمَن لَّمۡ يَكُنۡ أَهۡلُهُۥ حَاضِرِي ٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ

Ary tanterahinareo ny Hajy sy ny Omra ho an’i Allah. ka raha voasakana ianareo dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy), ary aza solaina ny lohanareo raha tsy efa tonga any amin’ny toerany ny fanatitra. ka izay marary aminareo, na marary an-doha dia manonitra amin’ny alalan’ny fifehezana na fanomezana ho an’ny mahantra na fanaovana sorona. ary rehefa milamina ianareo ka malalaka amin’ny fanaovana Omra mankany amin’ny Hajy, dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy). ka izay tsy mahita kosa dia mifehy telo andro amin’ny fotoan’ny Hajy, ary fito (andro) rehefa miverina any aminareo ianareo, izany dia folo andro feno. Izany dia (natao) ho an’izay olona tsy manan-kavana monina manodidina ny Al-Masjid Al-Haram. ary matahora an’i Allah ianareo. fantaro fa Allah dia mafy sazy tokoa. info
التفاسير: