Izy no nanao anareo ho mpandimby eto an-tany. Izay tsy mino, dia izy no iharan’ny tsy finoany. Tsy manampy ny mpikomy ny tsy finoany, raha tsy fahafaham-baraka ihany. Ary tsy mampitombo afa-tsy fatiantoka ho an’ireo tsy mpino ny tsy finoany.
Dia lazao hoe: “Hitanareo ve ireo nataonareo ho mpitambatra amin’i Allah izay antsoinareo ankoatra Azy? Asehoy ahy izay namboariny teto an-tany. Nandray anjara ve izy ireo tamin’ny fahariana ny lanitra? Sa nomenay Boky misy porofo?” Tsia! Fa fitaka ihany no fampanantenana ifanaovan’ireo mpanao ny tsy rariny.
Mihazona ny lanitra sy ny tany ho eo mandrakariva Allah. Ary raha miala teo izany, dia tsy misy afaka hihazona azy ireo ankoatra Azy. Fa Izy no be fangorahana, sy Mpamela heloka.
Ary nianiana tamin’i Allah tamim-pianianana hentitra izy ireo, fa raha misy mpampitandrina tonga amin’izy ireo, dia ho voatari-dàlana tsara noho ireo vahoaka hafa izy ireo. Nefa rehefa tonga tamin’izy ireo ny mpampitandrina (Mpaminany), dia vao mainka nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany,
noho ny fireharehana teto an-tany, sy ny tetika maloto. Nefa dia izay manao izany ihany no voasaron’ny teti-dratsy ataony. Miandry anjara hafa noho ny an’ireo teo aloha àry ve izy ireo? Nefa dia tsy hahita fanovana amin’ny lalàn’i Allah velively ianao, eny! Tsy hahita fiovana amin’ny lalàn’i Allah mandrakizay.
Tsy mbola nandeha nitety ny tany ve izy ireo, ka tsy nahita izay nahazo ireo niaina talohany, izay natanjaka tokoa noho izy ireo? Ary tsy misy afaka hampihena ny fahefan’i Allah, na any an-danitra na ety an-tany. Fa Mahefa sy Mahalala ny zavatra rehetra Izy.