Tahaka izany koa, tsy mitovy ny velona sy ny maty. Azon’i Allah ampandrenesina izay tiany hampandrenesina, fa ianao kosa tsy afaka hampandre ny any am-pasana.
Tsy hitanao ve, fa ampidinin’i Allah avy eny an-danitra ny rano? Ka avoakanay avy amin’izany ireo voankazo miloko isan-karazany. Ary eny an-tendrombohitra, misy faritra fotsy sy mena, ary loko samihafa, sy faritra tena mainty.
Manana fihodirana samihafa ny olombelona, ny biby isan-karazany sy ireo biby fiompy dia manana loko samihafa ihany koa. Ireo manam-pahaizana no tena matahotra an’i Allah amin’ireo mpanompony.Fa Tsitoha sy Mpamela heloka Allah.
Ireo izay mamaky ny Bokin’i Allah, sy manatanteraka ny vavaka soalat,ary manao fandaniana miafina na an-karihary amin’izay nomenay azy ireo, dia manantena hanao fifanakalozana tsy ho rava mandrakizay,