ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ

ಪುಟ ಸಂಖ್ಯೆ:close

external-link copy
19 : 35

وَمَا يَسۡتَوِي ٱلۡأَعۡمَىٰ وَٱلۡبَصِيرُ

Tsy mitovy ny jamba sy ny mahiratra, info
التفاسير:

external-link copy
20 : 35

وَلَا ٱلظُّلُمَٰتُ وَلَا ٱلنُّورُ

na ny aizina sy ny hazavana, info
التفاسير:

external-link copy
21 : 35

وَلَا ٱلظِّلُّ وَلَا ٱلۡحَرُورُ

na ny aloka sy ny hafanana migaingaina. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 35

وَمَا يَسۡتَوِي ٱلۡأَحۡيَآءُ وَلَا ٱلۡأَمۡوَٰتُۚ إِنَّ ٱللَّهَ يُسۡمِعُ مَن يَشَآءُۖ وَمَآ أَنتَ بِمُسۡمِعٖ مَّن فِي ٱلۡقُبُورِ

Tahaka izany koa, tsy mitovy ny velona sy ny maty. Azon’i Allah ampandrenesina izay tiany hampandrenesina, fa ianao kosa tsy afaka hampandre ny any am-pasana. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 35

إِنۡ أَنتَ إِلَّا نَذِيرٌ

Mpampitandrina ihany ianao. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 35

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ بَشِيرٗا وَنَذِيرٗاۚ وَإِن مِّنۡ أُمَّةٍ إِلَّا خَلَا فِيهَا نَذِيرٞ

Nalefanay niaraka tamin’ny fahamarinana ianao, ho mpilaza sy mpampitandrina. Ary tsy nisy vahoaka na iray aza, ka tsy efa nanana mpampitandrina. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 35

وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدۡ كَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ جَآءَتۡهُمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَبِٱلزُّبُرِ وَبِٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُنِيرِ

Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nilaza ireo Iraka ho mpandainga ihany koa ireo talohan’izy ireo, nefa dia nitondra porofo taminy ireo Irany, ary rakitsoratra sy Boky mpanazava. info
التفاسير:

external-link copy
26 : 35

ثُمَّ أَخَذۡتُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۖ فَكَيۡفَ كَانَ نَكِيرِ

Avy eo dia nofaiziko ireo tsy nino,ka nanao ahoana ny Fanakianako (famaizana) info
التفاسير:

external-link copy
27 : 35

أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَخۡرَجۡنَا بِهِۦ ثَمَرَٰتٖ مُّخۡتَلِفًا أَلۡوَٰنُهَاۚ وَمِنَ ٱلۡجِبَالِ جُدَدُۢ بِيضٞ وَحُمۡرٞ مُّخۡتَلِفٌ أَلۡوَٰنُهَا وَغَرَابِيبُ سُودٞ

Tsy hitanao ve, fa ampidinin’i Allah avy eny an-danitra ny rano? Ka avoakanay avy amin’izany ireo voankazo miloko isan-karazany. Ary eny an-tendrombohitra, misy faritra fotsy sy mena, ary loko samihafa, sy faritra tena mainty. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 35

وَمِنَ ٱلنَّاسِ وَٱلدَّوَآبِّ وَٱلۡأَنۡعَٰمِ مُخۡتَلِفٌ أَلۡوَٰنُهُۥ كَذَٰلِكَۗ إِنَّمَا يَخۡشَى ٱللَّهَ مِنۡ عِبَادِهِ ٱلۡعُلَمَٰٓؤُاْۗ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ غَفُورٌ

Manana fihodirana samihafa ny olombelona, ny biby isan-karazany sy ireo biby fiompy dia manana loko samihafa ihany koa. Ireo manam-pahaizana no tena matahotra an’i Allah amin’ireo mpanompony.Fa Tsitoha sy Mpamela heloka Allah. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 35

إِنَّ ٱلَّذِينَ يَتۡلُونَ كِتَٰبَ ٱللَّهِ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَأَنفَقُواْ مِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ سِرّٗا وَعَلَانِيَةٗ يَرۡجُونَ تِجَٰرَةٗ لَّن تَبُورَ

Ireo izay mamaky ny Bokin’i Allah, sy manatanteraka ny vavaka soalat,ary manao fandaniana miafina na an-karihary amin’izay nomenay azy ireo, dia manantena hanao fifanakalozana tsy ho rava mandrakizay, info
التفاسير:

external-link copy
30 : 35

لِيُوَفِّيَهُمۡ أُجُورَهُمۡ وَيَزِيدَهُم مِّن فَضۡلِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ غَفُورٞ شَكُورٞ

mba hanomezan’i Allah azy ireo valisoa feno, sy hanampiany azy ireo amin’ny Fahasoavany. Fa Mpamela heloka Izy, ary Mpankasitraka. info
التفاسير: